Taratra

Judo-Mada 2023: hiakatra kianja, anio, Rasoanaivo Razafy Laura

Nanomboka, omaly, etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Mpikatroka 400 manerana ny Nosy no mandray anjara. Anio no hiakatra an-kian­ja ny laharana voalohany eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, latsaky ny 70 kg. Rasoa­naivo Razafy Laura. Ny sokajy Senior no hifaninanany amin’izany, hifanandrinany amin’i […]

Harena an-kibon’ny tany : nasiam-panovana ny lalàna vaovao

Taorian’ny fankatoavan’ ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ ny tany (code minier), ny alarobia lasa teo, nitondra fanazavana Rakoto­malala Olivier Herin­drainy, minisitry ny Harena an-kibon’ny tany. Namba­rany nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny Ampan­dria­­nomby, omaly antoandro, fa anisan’ny nasiana fanovana anatin’ity lalàna ity ny […]

Fadintserana malagasy : sivanina ireo entana manimba tontolo iainana

Hojerena akaiky ireo entana miditra sy mivoakan’i Madagasikara. Hofan­tarina ireo akora simika “hydro chlorofluorocarbure” (HCFC) manimba ny sosona “ozone” sy ny olombelona. Hahafehy izany ny fampiasana ireo fitaovana manokana entina hamantarana ireo akora simika anaty fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Ireo no tanjona napetraka ho an’ireo mpiasa 27 nanaraka fiofanana etsy […]

Hanatsarana ny fahaiza-manao: 1093 ireo mpanao asa tanana voaofana tamin’ny atrikasa INP

Manodidina ny 1093 ireo mpanao asatanana voaofana ta­min’ny atrikasa “Intérêt Na­tional Prioritaire” (INP). Avy amin’ny orinasa THA (Textile- Habillements et Accessoires) sy mpanao asatanana maro samihafa izy ireo. Tanjona ny hahafahana mampandroso ny kalitaon’ny asatanana sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Niompana betsaka tamin’ny asatanana misehatra amin’ny asa fandokoana natoraly toy […]

Salon « International tourism fair Madagascar » : hametraka ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Hampiakatra indray ny tahan’ny mpizahatany sy hampiroborobo ity sehatra ity. Io ny tanjona hapetraka mandritra ny hetsika “International tourism fair Madagascar”, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao. Manana vina ny hampiakatra ny isan’ny mpizahatany, toy ny mialohan’ny taona 2019. Io no tanjona napetraky ny Offi­ce national du […]