Taratra

Alahady faha-3 : sokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny sehatra

Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana iray, mihaona sy manome sehatra ny mpitia jazz ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Hotan­terahina rahampitso, ao amin’ ny Cercle Germano-Mala­gasy/Goethe-Zentrum, toha­tohabaton’Antaninarenina izany ho an’ity volana avrily ity. Hosokafan’izy ireo ho an’ny talenta vao sy ireo liana amin’ny jazz ny sehatra. Fifampizarana, […]

Tarika AmbondronA : hisaotra sy hiara-paly amin’ny mpankafy etsy Analakely

Fampisehoana fiarahana mifaly noho izay 20 taona niarahana izay no atolotry ny tarika AmbondronA ho an’ny mpankafy azy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanatanterahana izany. Tontosa omaly, tao amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’ny solonte­nan’ny tarika AmbondronA sy ny tomponandraikitra […]

Fitantanana ny kaominina : manahy ny tsy hisian’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny MTS

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy tonga saina (MTS), Ratsiraka Roland, omaly. “Ahiana ny tsy hisian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna eto amin’ny tany sy ny firenena. Anton’izany ny fomba fiasan’ny fanjakana sy ny Ceni amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy mirindra […]

Depiote Tsaradia Marco : “Mizaka ny fiakaran’ny vidim-piainana ny maneran-tany”

“Ny amin’ny fidangan’ny vidim-piainana no lohahevitra tena nibahan-toerana. Niara-nijery ny vahaolana ny rehetra, fa tsy ny firenena afrikanina sy i Madagasikara ihany. Samy mizaka izany fiakaran’ny vidim-piainana iza­ny ny maneran-tany amin’izao, hatramin’ny firenena mandroso toa an’i Frantsa, i Etazonia… ” Io ny tatitry ny depiote voafidy tany Ampanihy An­drefana, i […]

Fikorontanan’ny lisitry ny mpifidy: notebahan’ny Tim ny rantsan’ny Ceni any Menabe

Nihazo ny faritra Menabe, hatry ny afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc. Nanentana ny olom-pirenena hisoratra anaty lisi-pifidianana ny tenany. Tsy mazava anefa ny fomba fiasan’ny CER sy ny CED any an-toerana. Nivoitra tamin’izany fa ahitana lisitra telo samihafa any Moron­dava amin’izao fotoana izao. “Tsy mitovy ny isa […]