Taratra

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tsy handrosoana ny baranahiny

Tsy nitsisy teny fa nahitsy… “Lazaina ny zava-misy fa tsy handroso mihitsy isika raha tsy miova ny toe-tsaina baranahiny, ny tsy firaharahana ny soa iombonana, ny fihatsarambelatsihy. Ny vola no mibaiko ny rehetra dia ny fisian’ny kolikoly”, hoy ny hafatry ny Arsevekan’ny diosezin’i Toamasina sady filohan’ny Fivondronamben’ny evekana eto Madagasikara, […]

Mpiasam-panjakana eny ifotony: “Ilaina ny matihanina sy niofana ary itokisana”, hoy ny MMM

Nitohy tany Antsohihy, ny faran’ny herinandro teo, ny famelabelarana nataon’ny an­toko Malagasy miara-miainga, notarihin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Ha­jo. Voaresaka ny momba ny mpiasam-bahoaka miasa eny ifotony. Nambarany fa voalazan’ny Lalàmpanorenana ny mpiasam-panjakana miasa ho amin’ny fampivoarana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. “Ilaina ny fametrahana izany. Tokony atokisana ireo tomponandraiki-panjakana manomboka eny anivon’ny […]

Fitsirihana ny lisitry ny mpifidy : manana 20 andro ny olom-pirenena

“Amin’ny fotoana hahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny amin’ny fokontany no hanaovan’ny olom-pirenena fitsirihana azy, ary manana 20 andro izy amin’izany. Ao anatin’izay fe-potoana izay no hanaovana fanamarihana, fitarainana… Mila manatona biraom-pokontany ny olom-pirenena amin’izany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy izay […]

Pasitera Andriamahazosoa Irako Ammi : “Aoka tsy ho mpitarika tahaka an’i Petera…”

Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Paska izao ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny tamin’izany ireo nanamarika an’i Jesoa sy ireo manodidina azy toy ny fitsanganana amin’ny maty. Toy ny mahazatra amin’ny fety kristianina lehibe, toy ny paska dia nitondra ny hafatra ho an’ny mpino ny filohan’ny Fiango­nan’i Jesoa […]

Filoha Rajoelina sy ny filoha Isaac Herzog : hanohana ny angovo sy ny teknolojia ny israelianina

Nanao fivahinianana ma­sina tany Israely ny Filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry sy ny vady aman-janany, nandritra ny fetin’ny Paska. Nohararaotiny tamin’izany ny fihaonana tamin’ny filoha israelianina, Isaac Herzog. “Mahavelom-panantenana ny amin’ny ho avin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Niom­panan’ny dinika nifanaovana ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny teknolojia, indrindra ny momba […]