Taratra

Fampisehoana alatsinain’ny Paska: nahaliana ny mpankafy ny gadon’ny tanora

Anisan’ny manamarika ny alatsinain’ny paska ny fampisehoana an-tsehatra ataon’ny mpanakanto. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fironan’ny mpankafy ny mpanakanto mivoy ny gadona tanora. Nisongadina ireo fampisehoana nivoy sy nampandray anjara ny mpanakanto mivoy ny gadona ankafizin’ny tanora, ankehitriny, teto andrenivohitra. Izy ireny no nahaliana sy nahazo olona. Na izany […]

Fiahiana sosialy: nitondra ny traikefany ny Ivoarianina

Nitondra ny traikefany ho an’ny Malagasy ny delegasionina ivoarianina momba ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa nandritra ny herinandro, teny Ankorondrano. Voakasika manokana ny ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Richard Jean Bos­co. […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra: mifanohana ny ben’ny Tanàna sy ny zokiolona

Ho fanamafisana ny fiarahana sy fiaraha-miasa miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nisy ny fiaraha-misakafo tamin’ireo mpiasa efa misotro ronono ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny zaridaina Anosy. Mahatsapa mbola manana adidy amin’ny fanampiana ny mpitantana sy ireo zandry mpiara-miasa amin’ny fanoroana azy ireo ny zoky. Ray aman-dreny […]

Fetin’ny Paska: tsy mahasakana ny vahoaka hifety ny fiakaran’ny vidim-piainana

Niala voly ny ankamaroan’ny Malagasy, omaly alatsinain’ny paska. Samy nifaly sy nampifaly ny fianakaviana ny rehetra. Tsy hita soritra izay fiakaran’ny vidim-piainana. Fety tetsy, lanonana teroa. Nankalaza ny fetin’ny paska, araka izay teo ampelatanany ny Malagasy. Azo lazaina fa toy ny isan-taona Nisomebiseby sy nifanitsa-kitro ny vahoaka. Na­hitana mpitsangatsangana maro […]