Hiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Fifaninanana hotanterahina eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 2 avrily. Miisa 4 ireo fihaonana voalahatra amin’izany. Anisan’ ireo donabe andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny USA Ankadifotsy sy ny FTM Manjakaray. Adin’ny samy kartie ny lalaon’ny roa […]
Taratra
Kitra: lasa mpanazatran’ny Club M Maurice, Rasoanaivo Fidy
Notendren’ny federasiona maorisianina ny baolina kitra (MFA) hitondra ny ekipam-pireneny (Club M) Rasoanaivo Fidy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy teknisianina malagasy hanazatra ekipam-pirenena vahiny. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy Malagasy hitondra ekipam-pirenena vahiny. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, nivoaka omaly zoma, notendren’ny […]
Fitakiana vatsim-pianarana : vao nikasa hanao fitakiana dia nilamina
Ny alakamisy teo, nikononkonona fitokonana ireo mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Namelatra sora-baventy sy efa nitangorona nifanentana ireo mpianatra tao an-toerana. Vao hitan’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny fitantanana ny oniversiten’ i Toamasina anefa izany dia nitady vahaolana izy ireo. Nifampiresaka haingana ny teo anivon’ny fitantanam-bola sy ny fampitaovana nitady vahaolana […]
Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana: manampy ny Fnuap amin’ny fiahiana ny vehivavy marefo i Etazonia
Mifarimbona ny tahirim-bolan’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNF PA) eto Madagasikara ùiaraka amin’ny tohana ataon’i Etazonia amin’ny fanampiana ireo vehivavy any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinananan’i Madagasikara. Miatrika haintany sy rivodoza ireo vehivavy ireo ary marefo amin’ny lafiny maro. Hisitraka fanampiana ho fisorohana sy fanohanana ny fanararaotana ara-nofo […]
Fizarana kopia faobe-CUA : natomboka amin’ny boriborintany roa
Taorian’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF), ny volana desambra lasa teo, nisy ny tetikasa ezaka fizarana kopia faobe maimaim-poana ho an’ny ankizy 1 volana hatramin’ny 17 taona eny anivon’ny fokontany. Kopia 12 000 no tanjona hozaraina amin’izany eny anivon’ny boriborintany enina. […]




