Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), momba ny nanatanterahan’ny Jirama didim-pitsarana nanagiazana ny fananan’ny La gazette de la grande Ile (LGDGI) ny 30 marsa teo. Anton’izany ny trosa tsy voaloan’io orinasan-gazety io. Nivoitra tamin’izany fa miantraika amin’ny mpanao gazety ny tsy fisian’ny fehezan-dalàna mamaritra ny fetra […]
Taratra
Minisitra Lalatiana Andriantongarivo : “Afangaron’ny sasany ny resaka momba ny asa an-gazety”
Tsy mitovy ary samihafa ny asa fanaovan-gazety sy ny maha mpanao gazety. Nitondra fanazavana, manoloana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny minisitra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, omaly, tetsy Anosy. Nambarany fa betsaka ny raharaha momba ny mpanao gazety tato ho ato. Samihafa anefa izany satria tsy momba ny asa fanaovan-gazety, araka ny […]
Fifidianana sy fanarenana ny firenena : mitaky ny fikaonandohan’ny hery rehetra ny G5
Namondrona ny heriny ka nanao fanambarana ireo vovonana politika mivondrona eo anivon’ny G5. Ahitana ny avy amin’ny RMDM, Hiffim, HPM, VTHM, Panorama izy ireo. Nambaran’ireto mpanao politika ireto fa masi-mandidy sy tompon’ny fahefana eto amin’ny firenena, araka ny rafitra repoblikanina sy demokratika ny vahoaka. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy maintsy […]
Nilatsaka ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany: “Tsy maintsy anaty efitrano avokoa ny hetsika politika”
Nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, omaly, tao amin’ny TVM fa mandala ny demokrasia sy malalaka amin’ny fanehoan-kevitra, amin’ny sehatra rehetra isika. Na izany aza anefa, nilatsaka ny fepetra noraisin’ny fanjakana nanomboka, omaly. “Omena malalaka ireo mpanao politika amin’ny famoriam-bahoaka sy hetsika politika tiany hatao rehetra. Tsy […]
Herisetra… politika
Milaza miara-mahita sy miara-miaina? Mihamafy sy mihasarotra hatrany ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa; ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, indrindra ny vidim-bary; ny tsy fisian’ny asa azo antoka sy mahavelona ho an’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora… Manginy fotsiny ny ady tany mampisaritaka an-toerana, ny […]




