Taratra

Vondrona afrikanina : Tsy afaka ny sazy raha tsy vita ny fifidianana

Nandray ny ambasadaoro izay iraka manokana eto Ma­dagasikara, i Mohamed Idriss Farah, ny filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), i Mahmoud Ali Youssouf, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Nitondra fanazavana ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara, amin’izao, tamin’ny filohan’ny Vaomie­ran’ny UA ny ambasadaoro. Nanantitrantitra ny fahavononan’ny tomponandraiki-panjakana eto Madagasikara hizotra […]

Efa miditra ny vola? 

  Nanaitra ny filazan’ny Banky foiben’i Madagasikara fa mbola manana volabe ampy ampiasaina anatin’ny enim-bolana isika. Mainka mahafinaritra ny mamaky ny tatitra fa 70 % amin’ny Malagasy no tsy mampiasa afa-tsy ravim­bola 20 000 Ariary. Efa metimety izany ny  resaka toekarena hatrany an-tokantrano. Tsy manimba saina intsony ilay fanambaran’ny minisitra […]

Vondrona Irmar: Miandrandra fandaminana politika

Maromaro ireo fitsidihana sy fihaonana nataon’ny iraky ny sehatra iraisam-pirenena, ny herinandro teo, ho amin’ny fikaroham-bahaolana. Naneho ny heviny momba izany ny avy amin’ny Irmar. Naneho ny heviny ny filoha lefitry ny mpanohitra eny amin’ny Antenimie­rampirenena, ny depiote Mila­vonjy Philobert, avy amin’ny vondrona Irmar. Nambarany fa hisy fiantraikany sy dikany […]

TSELATRA

Vehivavy manodidina ny 40 taona hita faty tao anaty alan’akondro, tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mangana ny rantsan-tanan’io ramatoa io. Ankizilahy 15 taona maty nipoahan’ny gaz tao Ampoara, fokontany Mangatany, kaominina Arivoni­mamo, omaly atoandro. Nipitika tampoka teny aminy io gaz io nandritra ny soudure nataona mpiasa hafa. Lavon’ny […]

Ambohimangakely: Lehilahy voaambana sabatra, jiolahy iray tratra

Nokendren’ireo mpanao ratsy ho vonoina tamin’ny sabatra, nandositra ny lehi­lahy iray nitondra moto, teny amin’ny kaominina Ambohi­man­gakely tsy lavitry ny tobin-dasantsy Jovena, afakomaly alina, tamin’ny 12 ora sy sa­sany. “Miisa telo ireo jiolahy nitondra sabatra sy vy maranitra nikasa handroba io olona avy niasa io”, araka ny fanazavana voaray teo […]