Taratra

Madagasikara 0 – 2 Centrafrique : vita hatreo ny Can 2023 ho an’ny Barea

Tapitra hatreo ny lalana mankany amin’ny “Can Côte d’Ivoire 2023” ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’ny les Fauves Centrafrique tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa malagasy. Araka izany, tsy hampiova zavatra intsony ny lalao roa ambiny izay hihaonana amin’i Ghana sy i Angola . Nopotehin’ny Les Fau­ves Centrafrique ny […]

Atsimondrano : vita ny CEG sy Lycée manara-penitra vaovao

Zava-dehibe ho an’ny mpianatra sy ny taranaka ao Androhibe Antsahadita, dis­trikan’Atsimondrano, ny fa­ha­vitan’ny Lycée sy CEG vao­vao ao an-toerana. Noto­kanana ny faran’ny herinandro teo izany, izay notarihin’ny governoran’ Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Natsangana ho vaovao mihitsy ny fotodrafitrasan’ny Lycée satria efa tena ratsy ka nanaovana ezaka manokana ho mendrika ireo mpianatra. […]

Toetry ny andro : manomboka ny volon’andro ririnina

Nahatsapa hatsiaka ny mponina amin’ny afovoan-tany andro vitsy nisesy izay. Nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro fa hamaritra ny toetry ny andro eto Mada­gasikara ny tsokan’ny Va­ratraza ka haka ny volon’andro ririnina manerana ny Nosy. Rahampitso, efa miraraka ny zavona ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany sy Alaotra Mangoro ny vao maraina. […]

Vovonana nomerika amin’ny CEG 15: nahazo fampitaovana i Taolangaro

Anisan’ireo faritra misitraka ny fampitaovana nomerika ny foibem- pitondram- paritry ny fanabeazam-pirenena, faritra Anosy. Notontosaina tao amin’ny CEG de Référence Taolagnaro ny fanolorana ny fitaovana ahitana “box 1” misy 65 Go isam-bo­lana afaka hampiasana ordinatera 30 sy fanapariahana ny vovonana nomerika vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka Unicef sy orinasa Airtel […]

Bebe Marie Margueritte – Fibodoana tany : natolotry ny minisitera azy ny titra maha tompon’ny tany

Natolotra an’i Bebe Marie Margueritte, omaly, ny “titre” manaporofo fa azy ny taniny. Nanatitra izany teny amin’ny trano fonenany eny Ambohipo Tanàna ny minisitry ny Fana­jariana ny tany sy ny fananan-tany. “Tsy maintsy mitazona ny teny nomeny ny minisitera amin’ny fanampiana an’i Bebe Marie Margueritte”, hoy ny minisitry ny Fanajariana […]