Niavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Io no nambaran’i Dadafara Lt Production, omaly, nandritra ny famoahana ny rakitsary (DVD) an’ny tarika Dadalora avy any Mandiavato. « Niavaka teo amin’ny fandraisana ny sary sy ny feo ary ny fanatontosana izy ity satria nokajiana fatratra tamina fitaovana tsara kalitao », hoy i Dadafara. Nambarany fa […]
Taratra
Rakikira vaovao : « Ravitoto », anehoan’i Bolo ny tsiron’ny mozikany…
Vita ihany ! Tsy noteren-ko masaka anefa, fa narahin’i Bolo tamin’ny onjany teny. Nisy “Noana” ireo efa ela niandrasana, kanefa afa-po rehefa avy nianoka ny “Ravitoto”, rakikira voalohan’i Bolo. Tsia, tsy resaka sakafo akory ilay « Ravitoto ». Eny, misy idirany ihany koa anefa… Rehefa noketrehina ela, masaka ny “Ravitoto”, rakikiran’i Bolo voalohany, izay […]
Ratsirahonana Norbert Lala : “Mba hoekena ny voafidy eo”
“Tsotra ny tombontsoa ho azon’ny firenena amin’ny dinika, hoeken’ny rehetra izay filohan’ny Repoblika voafidy eo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanolontsaina eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sady filoham-boninahitry ny antoko Avi, Ratsirahonana Norbert Lala. Ny tantaran’ny fifidianana teto : nisy voafidy fa tsy eken’ny sasany. Izay nandritra ny fotoana ela. Ny […]
Fijoroan’ny federasion’ny mpanao gazety : “Ahina ho politika ny raharaha Lola Rasoamaharo”
Nijoro, omaly, ny Federasiona iraisan’ny fikambanan’ny mpanao gazety, manoloana ny fisamborana sy ny famonjana vonjimaika ny filoha tale jeneralin’ny La Gazette de La Grande île, i Lola Rasoamaharo. Naneho ny ahiahiny izy ireo ary nanameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety. “Manahy izahay fa misy […]
Ratsietison Jean-Jacques : “Mila tsirihina ny 145 miliara Ar hanaovana fifidianana”
“Be loatra ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana, ka mila hanaovana fitsirihana. Na omena 1 tapitrisa Ar aza aho, vitako ny fanisana mpifidy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy ho an’ny Malagasy (FMI-Malagasy), Ratsietison Jean-Jacques, momba ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana. Ny rejisitry ny mponina eny amin’ny fokontany tsirairay […]




