Tsy mandry andro tsy mandry alina ny polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, sampana iray eo anivon’ny commissariat central, eo ambany fibaikoan’ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky. “Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka”, hoy izy. Nahitam-bokany izany ezaka izany satria jiolahy efatra niaraka tamin’ny zava-maranitra sy entana […]
Taratra
Raharaha famonoana an’Iarisy: « Izao vao tena hanomboka ny ady », hoy ny mpitandro filaminana
Taorian’ny nahafatesan’ilay dahalo raindahiny Iarisy tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana. “Hampiana ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana hanamafy ny fandriampahalemana. Mbola mitohy ny asa”, hoy ny kapiteny Andriambeloniaina Toky, komandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. Notohizany fa mbola karohina ireo mpiara-dia amin’Iarisy izay mirongo fitaovam-piadina mahery vaika […]
Ankatoky ny fetin’ny Paka : lehilahy hita faty natsingevan’ny ranomasina
Fatin-dehilahy iray 40 taona no natsingevan’ny ranomasina ny alahady teo manamorona ny tetezan’ny Hopitalibe Toamasina. Tsy fantatra mazava ny nahafaty ity niharam-boina ity. Tsy nahitana faritra mangana na maratra ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny BMH. Tsy nisy akanjo intsony kosa teny aminy. Tombanana ho nilomanano tany ho any izy […]
Lazain-drangahy fa tsy zanany : novonoin-dreniny ary natsipiny tao anaty tatatra ilay zaza
Zazalahikely vao herintaona monja no hita faty tao anaty tatatra tao Antanamandroso Moramanga, afakomaly. Voatondro ho namono azy ny ray aman-dreniny rehefa tsy nanaiky io zaza io ny lehilahy vadin’ilay renim-pianakaviana. Hiakatra fampanoavana izy mivady. Habibiana mahatsiravina! Tsy nampoizina ny zava-bitan’ilay renim-pianakaviana 30 taona sy ny vadiny tao Moramanga. Novonoina […]
Hetsiky ny “Jamais mort” : nisitraka jiro ireo fokontany any Vangaindrano
Nanao hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais Mort, ny farany herinandro lasa teo. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023 izany ka nanoloran’izy ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 30, manana tanjaka 800 wh. Natolotra sy notsinjaraina amin’ny fokontany telo, ahitana ny any Nanasana […]




