Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 14 mey izao, etsy amin’ny Forello Tanjombato ny Foire Internationale de Madagascar (FIM), andiany faha-17. Hiompana amin’ny fanatsarana sy fampahafantarana ny zava-misy momba ny fanajana ny tontolo iainana maharitra ny hetsika, raha ny nambaran’ny mpikarakara. “Hisy fampirantiana maneho izany eny an-toerana mba hanentanana ny rehetra handray […]
Taratra
Akoho gasy : mila mpiompy matihanina hahatsara ny vokatra
Maro amin’ny Malagasy, tsy any ambanivohitra ihany, ny miompy akoho gasy nohatsaraina, fa amin’ny tanàn-dehibe koa amin’izao fotoana izao. Haingam-piodina ny akoho gasy ary tsy be masonkarena sy mora ompiana, hoy Atoa Andrianjafy teknisianina iray. Mila fitiavana sy finiavana. Be mpanjifa ny akoho gasy, indrindra amin’ny andro fety. Ny vidiny […]
New York : fivoriambe mikasika ny rano
Nanomboka ny 22 marsa teo, any New York, ny fivoriamben’ny firenena Mikambana (ONU) andinihana lalina mikasika ny rano. Tombanana ny zava-bita aty antenantenany mikasika ny fanatrarana ny tanjona ato anatin’ny 10 taona (2018-2028), ny « rano ho an’ny fampandrosoana maharitra ». Miaraka mitarika ny fivoriana ny governemanta any Tadjikistan sy Pays-Bas. Ankoatra […]
Tetikasa « Train urbain » : hisokatra amin’ny aogositra ny fitaterana
Vahaolana hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra ny fitaterana an-dalamby mandeha amin’ny herinaratra. Maro ny pitsopitsony tsy maintsy hatao, fa vinavinaina amin’ny volana aogositra 2023 ho avy izao ny andrana hampandehanana azy. Vita amin’ny 60% ny fotodrafitrasa hametrahana ny fitaterana an-dalamby eto Antananarivo, ao anatin’ny tetikasa « train urbain ». Nijery ifotony […]
Fikaroham-bahaolana : nampahafantatra ny Antenimiera ny fihaonambe hataony ny FFKM
Miroso tsikelikely ho any amin’ny fikaroham-bahaolana manoloana ny fifidianana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, omaly, ireo solontenan’ny birao foiben’ny FFKM. Anisan’ny nifampiresahana tamin’izany ny nampahafantaran’ireto lohandohany eo anivon’ny fioben’ny fiangonana efa-tonta ireto ny hirosoan’ny FFKM, amin’ny fihaonambe na fikaonandoham-pirenena. Efa tafiditra ao anatin’izany ny handraisana eto Antananarivo ilay […]




