Taratra

Fijery miabo sy fandresena 

Migadona anio ny andro malaza ! Hiakatra kianja indray ny ekipam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra, sokajy zokiny na ny Barea sokajy A. Hampiseho firaisam-po sy fifankatiavana indray ny Malagasy tsy vakivolo. Samy miara-mirona ny olom-pirenena rehetra na andrenivohitra na any ambanivolo. Hirodorodo isika hanosika ny « omby masiakantsika ». Hanao angaredona sy hanandram-peo […]

Zava-miafin’ny 1947 : mijoro vavolombelona Randrianasolo, 95 taona

76 taona ny tolom-panavotana, nitakiana ny fahafahana teo ambany ziogan’ ny mpanjanaka. Nizaka ny mafy ny malagasy ny taona 1947. Mitantara ny niainany izany i Dada Randrianasolo. bekotro maro olatra. Tao anatin’ny fangirifiriana tanteraka no niain’ireo mpiady Tia Ta­nindrazana, tsy nanaiky nilavo lefona teo ambany vahohon’ny Frantsay tamin’ny fotoana nipoahan’ny […]

Isan’ireo mampitondra faisana : dahalo roa lahy lavon’ny zandarimaria

Maty voatifitry ny zan­darimariam-pirenena avy ao Ambatolampy, ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana any an-toerana. Ny zoma teo, nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mikasa hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy. Araka izany, napetraka ny vela-pandrika rehetra. Niambina ny kizo mety ho lalan’ny olon-dratsy ny zandary. Tokony ho tamin’ny 6 ora […]

Naiditra eny Antanimora : tratra ireo nangalatra fitaovana fivarotana hani-masaka

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’An­tanimora, afakomaly, ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny vaky trano eny Behoririka sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nifanehatra taminy izay tsy nampoiziny mihitsy. Tsika­ritr’ireo polisy mpanao fisafoana ny fihetsik’ireo jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy […]