Taratra

Filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra: “Resabe fotsiny ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly”

Anisan’ireo nandray anjara amin’ilay adihevitra momba ny fitarazohana na fahasarotana ary ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, ny filohan’ny CSI, Rabena­rivo Sahondra, omaly. Nohi­tsi­ny fa mijanona ho teny faneva fotsiny ihany ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly “To­le­ren­ce zéro”, dradrain’ny mpitondra. “Tokony hampiharina ny lalàna ary omen’ireo mpitantana samihafa ny alalana ahafahana […]

Fiaraha-miasa amin’i Egypta : efa miroso ny fanamboarana ny lalambe migodana Tana-Toamasina

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara ta­min’ny filohan’ny Repobli­ka, Rajoe­lina Andry, teny amin’ny la­pam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Efa an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Egypta sy i Madaga­sikara. Eo amin’ny sehatra maro izany toy ny fambolena, ny fahasalamana, […]

Andriamiseza Alain: “Tsy haka seza ny Hiffim”

“Tsy hanao fikaonandoha hakana seza ny Hiffim”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Mada­gasikara (Hiffim), Andriamise­za Alain, manoloana ny disadisa eo anivon’ny vovonana tarihiny. Tsy hanao fikaonandoha mba hofidian-dRanona na Ra­nona ry zareo. Tsy misy olona manampahaizana sy manan-tsaina ary manam-panahy ve eto […]

Raharinirina Baomiavotse : « Miasa ho an’ny mpiray taninjakana aho amin’ny maha teknisianina»

Miasa avy hatrany ! taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny talen’ny kabinetra sivilin’ny Fiadidian’ny Repoblika, omaly. Efa am-perinasa amin’ny andraikitra nankinina amin’izy ireo na ny nametra-pialana, Ramatoa Raharinirina Baomiavotse, na ny vao notendrena ramatoa Andrianarisoa Romy. Tsia­hivina, fa noho ny antony ara-pahasalamana, tsy maintsy nametraka ny taratasy fialany iry voalohany. Tsy nahafahany namita […]

Rahantasoa Florence: “Tsy asan’ny firaisamonina sivily ny fanaovana politika”

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitady hifangaro be ihany ny asan’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika sasany. Aiza ho aiza? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily mpisehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Andrimaso, Rahantasoa Florence: “Fanabeazana sy fanentanana ary fanaraha-maso ho an’izay misehatra amin’ny fifidianana, […]