Taratra

Tselatra

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nodomin’ny fiara teny By-Pass, omaly. Fiara iray nandeha mafy no nifaoka ilay niharam-boina. Lasa nitsoaka anefa ilay fiara. Nanao izay ho afany ihany ny olona teo amin’ny manodidina nahita ny loza saingy tsy nahazo ny laharan’ity fiara namoa-doza ity.   Manao ny ataony koa […]

Nitazona entana halatra: jiolahy nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, afakomaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fitazonana entana halatra. Nahazo loharanom-baovao ny polisy, ny 10 marsa 2023 tolakandro, fa misy jiolahy roa mampiahiahy nandeha moto Jog nanitrika sy nametraka kitapo eo Ambodipont, Ankirihiry Toamasina. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy […]

CUR Vontovorona: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho lietnĂ 

Nofitahiny hatramin’ny fianakaviany, tra-tehaka ihany ny lehilahy iray nisandoka ho LietnĂ , tetsy Vontovorona, ny herinandro lasa teo. Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nisandoka ho manamboninahitra an-taonany maro, afakomaly. Nanomboka ny taona 2013, nitonon-tena ho LietnĂ  teny amin’ny fokontany Antanety II, Vontovorona izy. Ny 9 marsa teo, nanakana fiara an’ny kolonely […]

Makis de Madagasikara : nodimandry i Lanja na Lebigane

Misaona ny tontolon’ny rugby eto amintsika. Nodiman­dry ny alatsinainy 13 marsa, teo amin’ny faha-21 taonany, Andriamasinjanahary Lanja Fiononantsoa na Lanjabe Lebigane, mpilalaon’ny Makis de Mada. Taitra ny rehetra raha naheno ity vaovao mampalahelo ity, indrindra fa ireo akaiky azy. Matanjaka sy ma­hery i Lanjabe izao nindao­sin’ny fahafatesana tampoka izao. Anisan’ny […]