Vehivavy 43 avy amin’ny faritra 23 no nisitraka fampiofanana momba ny teknikam-pambolena Pfumudza teny amin’ny CAFPA Mahitsy, niarahan’ny fikambanana Fitia sy ny ministeran’ny Fambolena sy fiompiana. Manatsara ny voka-pambolen’ireo tantsaha ary miaro ny tontolo iainana ny fampiasana ny teknika Pfumudza. Tantsaha 5 tapitrisa no efa mampiasa ity teknika ity manerana […]
Taratra
CEDS andiany faha-19 : nampahalala ny vokatry ny asan’ny fifandraisana
«Fifandraisana : Hanao ahoana ny hoaviny ho an’ny vehivavy ?» Io no lohahevitry ny dinika sy fifampizarana teo amin’ireo andriambavilanitra izay notanterahina omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hetsika izay nokarakarain’ ireo vehivavy mpiofana avy amin’ny andiany faha-19 eo anivon’ny CEDS sy ny Club Arisera. Nahitana ny fandraisan’ anjaran’ny klioban’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana […]
Ramatoa Rajoelina Mialy : niara-naneho ny fahavitrihana sy ny firaisankinan’ny vehivavy
Fotoana nahafahan’ny andriambavilanitra naneho ny heriny sy ny fahavononany amin’ny fandraisana an-tanana ny fiainany sy ny fampandrosoana ny diabe, omaly. Analiny ireo tonga nitanjozotra tamim-pahavitrihana naneho firaisankina. Nomarihina tamin’ny diabe notarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny fankalazana ny andron’ ny vehivavy, omaly. Niainga tetsy amin’ny Gymnase Ankorondrano nihazo ny kianjan’Alarobia izany. Nanotrona […]
Hetsika “Songadina” : tontosa omaly ny atrikasa “Malesa”
Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny faritra Sofia. Notanterahina ny talata 7 marsa 2023, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny atrikasa momba ny “Malesa”. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Songadina”, hampahafantarana ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny faritra na faritany iray. […]
« Mamy indray ny miaina » : hankalaza ny faha-90 taonany i Henry Ratsimbazafy
Fanirian’ny zanak’olombelona maro ny hahatratra ny 90 taona… Nofinofin’ny mpanakanto maro ihany koa ny hankalaza izany an-tsehatra. Tonga amin’izay taona maha konka azy izay i Henry Ratsimbazafy amin’ity taona ity, satria feno amin’ny 29 marsa izao ny 90 taona ho an’ity andrarezin’ny kanto malagasy ity. «Mamy indray ny miaina», hoy […]




