Niharan-doza tampoka, maty vokatry ny faharendrehan’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy tao anaty rano ny lehiben’ny Distrika ao Ivohibe, omaly. Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fiakaran’ny rano ny lehiben’ny Distrikan’Ivohibe, teo amin’ ny RN27, omaly. Tra-doza teo amin’ny tetezan’i Manarahiky, izay mirefy 600 m, 5 km miala […]
Taratra
Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023» : mianto-tena dia tsy lasa i Santatra sy i Harena
Manomboka anio alarobia 8 marsa, atsy Djibouti, ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo manana solontena hiatrika izany i Madagasikara. Tsy anisan’ireo hifaninana anefa i Santatra sy i Harena, mpilalaon’ny Acacia noho tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nambaran’ny federasiona […]
Ligue des Champions: hanala vela amin’ny Bayern ny PSG
Hotanterahina anio ny lalao ampahavalon-dalana miverina faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023” (LDC). Hihaona amin’ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay ny Bayern, klioba Alemà. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Allianz Arena. Hanala vela amin’ny Bayern ny PSG. Tsiahivina fa lavon’ny Bayern tamin’ny isa 1 […]
Kitra – Fifanintsanana «Can 2023»: Nesorin’i Dupuis i Arnaud sy i Ramalingom ary i Fontaine
Fantatra omaly ny lisitra mandrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao mandroso amin’i Centrafrique, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2023”. Mbola voatazona i Jeremy Morel raha nesorina kosa i Ramalingom sy i Fontaine. Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly talata, ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra […]
Ortana : fitetezam-bohitra eny Manjakazafy
Mitohy ny fitetezam-bohitra karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana). Eny Manjakazafy, ny tanàna hotsidihana, eny andrefan’ny Renivohitra, ao anatin’ny distrikan’ Ambohidratrimo, ny sabotsy 11 marsa ho avy izao. Manana ny tantara mampiavaka azy ity tanàna ity, natsoina hoe Marovatana tany aloha. Toerana nipoiran’ ny mpanjaka Ranavalona III, ka niova ho […]




