Hotontosaina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny fifaninanana “Miss Maman Madagascar 2023”. Fifaninanana natokana ho an’ireo reny. Nahatratra 314 ny nandray anjara tamin’izao fifaninanana izao. Manodidina ny 30 izy ireo no nahatafita ny dingana fifantenana mialoha ka hiatrika ny fifaninanana hatramin’ny farany. “Comme une reine”. Io no […]
Taratra
CUA – Hanalana hamohamo… : hotanterahina eto Antananarivo ny « Festival Explosion de rire »
Amin’izao vanim-potoana izao, maro ireo vesatra mahazo ny sain’ny tsirairay. Covid-19, tsy vitsy ireo nahazo vokatra ratsy avy tamin’io valanaretina io… Izany rehetra izany no anisan’ny hanatanterahana ny « Festival Explosion de rire ». Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny masoivoho soisa eto Madagasikara, ireo Malagasy […]
Teny momba ny filohan’ny Fizafafi : niala tsiny tamin’ny filohan’ny Antenimiera i Kaleta
“Ny nivorianay tao: nilamina ny anay mianadahy, izaho sy ny filohan’ny Antenimierampirenena. Misy ny fifankahazoana. Nifanazava sy nifamela izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, ny amin’ny fihaonana teo aminy sy ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fizafafi, […]
Fidirana ho mpikamban’ny Ceni : tsy mbola mipetraka ny lalàna…
“Tsy mbola misy lalàna manome lanja na hasina an’izay fitakian’ny mpanohitra izay. Koa tsy hita izay hampiharana azy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra hiditra ho anisan’ny mpikamban’ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Ndeha àry hoekena, ohatra, izay fitakiana izay amin’izao, antoko politika 200 […]
HVM : “Misy tokony hohatsaraina ny lalàm-pifidianana”
“Izay hatrany no noresahina hatramin’izay. Misy zavatra tokony hohatsaraina ao. Misy tokony hojerena amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny fomba hanatanterahana azy, ny fangaraharana amin’ny vola… “, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, nampahatsiahy ny fihaonana teny Iavoloha, tamin’ny faran’ny herinandro, teo amin’ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto […]




