Taratra

Andohatany Fianarantsoa: lehilahy hita faty tsy nisy taova intsony

Nahitana fatin-dehilahy tao amin’ny fokontany Mahaditra-Andohatany, faritra Matsiatra ambony, afakomaly. Tsy nisy hoditra, taova ary filahiana intsony ilay maty. Karan-doha sisa tavela teny aminy. Hatramin’izao, tsy mbola voafaritra mazava ny anton’ity tranga ity saingy anatin’ny famotorana tanteraka ny mpitandro filaminana. “Tena nisy ity tranga ity fa ny nahatonga azy no […]

Tsenan’Ankazobe : dahalo telo maty voatifitry ny miaramila

Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramila ZDS Ikopa, tao An­ka­zo­be, afakomaly. Maty rotiky ny bala ny dahalo telo lahy nan­dritra ny fifandonana. Ara­ka ny fampitam-baovao voaray, nandritra ny fisafoana fanao mahazatra nataon’ireo miaramila no nahatrarana ireto dahalo ireto. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny […]

Fandriampahalemana an-dranomasina : hanome traikefa ny Tafika malagasy ny Tafika indiana

Nitsidika ny tobi-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina Antsiranana (BANA) ny ma­soivohon’ny firenena indianina miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu niaraka tamin’ny delegasiona notarihiny, ny talata 28 febroary 2023. Nandray ny delegasiona ny kaomandin’ny BANA, ny capitaine de vaisseau Ra­mo­rasata Dimbiharivony Gislain, notronin’ny kaomandin’ny ZDS Ankarana, ny Jly Montrouge John Fitzgerald. Voaresaka […]

Toetr’andro : ho betsaka ny orana manomboka rahampitso

Ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra sy distrika maro eto Madagasikara ma­nomboka ny zoma izao. Vi­navinaina hatramin’ny alatsinainy hoavy izao izany, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana foibe mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mety hiteraka fiakaran’ny rano mi­androna sy ny renirano izany. Nahazo fampitandremana ny faritra maro eto amin’ ny Nosy manoloana […]

Masoivohon’i Rosia: mikendry ny fandriampahalemana any Ukraine

Manoloana ny ady any Ukraine. Mitandro ny hisian’ny filaminana maharitra any an-toerana ny masoivoho Rosianina eto Madagasikara. Mba hitandroana ny fandrianam-pirenena sy ny fandriampahalemana. Nandray fanapahan-kevitra ny masoivoho rosianina eto Mada­gasikara mikasika ny ady any Ukraine, omaly. Fa manohana ny hisian’ny fandriampahalemana feno sy marina ary maharitra any an-toerana izy […]