Taratra

Minisiteran’ny FahasalamaNA : misy lamina ny momba ireo mpiasan’ny CTC

Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny avy eo anivon’ ny minisiteran’ny Fahasa­la­mam-bahoaka, omaly. Na­na­m­bara fa mijoro ho raiamandreny ary miantso fitoniana izy ireo, manoloana ny fitakiana nataon’ireo mpiasa teo anivon’ny CTC teny Am­bo­hi­dahy, afakomaly. “Efa niasa foana ireo mpiasa nitokona ireo ary efa nahazo ny “poste budgétaire” avy amin’ny fitondram-panjakana”, hoy […]

Tsy mbola nahazo karama roa volana : manaitra ny tomponandraikitra ny mpiasan’ ny Cnapmad

Manao hetsika fanairana ny tomponandraikitra mitantana ny Cnapmad sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ny mpiasan’ny Cnapmad fa tsy mbola nisitraka ny karama roa volana janoary sy febroary hatramin’ny omaly. Miverina matetika loatra ny fahatapa­han’ny karama ka mangataka fanatanterahana ny fampanantenan’ny minisitry ny Fa­na­be­azam-pirenena, telo taona lasa, izy ireo amin’ny handraisana mpiasa […]

Paylp Alumni All-Star : Malagasy roa lahy hiofana any Etazonia

I Fenomanantsoa Mandre­sy sy i Makavelo José, teratany malagasy roa voafantina hisitraka ny fandaharanasam-piofanana momba ny fahaiza-mitarika hatao any Etazonia na ny “Paylp Alumni All-Star”. Ny Paylp dia fandaharanasa tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary tantanin’ny Meridian International Center. Mampifandray tanora avy amin’ny firenena 36 aty […]

Nanaovana andrana ny MLE: nihatsara ny fifehezan’ny mpianatry ny T1 ny vakiteny

Nifototra amin’ny zavatra telo no namolavolana ny MLE. Ny fomba famakian’ny zaza teny sy ny fanadihadiana ny teny malagasy ary ny fandrasain’ny sain’ny ankizy ny teny. N ihatsara ny fifehezan’ ny mpianatra T1 ny vakiteny sy ny fanoratana rehefa nampiharina ny fomba vaovao «méthode de lecture écriture» (MLE) no­volavolain’ny teknisianin’ny […]

Razafiarison Laza : “Am-bavaloza isika amin’izao fotoana izao”

Miala nenina ? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Tambaben’ny olom-pirenena nampiraisin’ny andraikitra – Tolona na ny Rassemblement des citoyens responsables fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. “Maro ireo fihantsiana ady sy korontana hi­tranga noho ny fahasorenana sy alahelo ateraky ny tsy fisian ny rariny sy ny hitsiny intsony. Tandremo ny fihetsika […]