Habibiana mihoapampana ny nataona renim-pianakaviana iray sy ny vadiny nahavita nidaroka mafy ny zanany vavikely vao efa-taona monja. Naratra mafy ilay zaza, nalefa eny am-ponja vonjimaika kosa ny reniny sy rangahy vadiny. Miandry ny fotoam-pitsarana azy ao amin’ny fonjan’ Ambatolampy nanomboka ny alarobia teo ireo mpivady nikapoka sy nidaroka zazavavikely […]
Taratra
Kitra any ivelany : hanala vela amin’ny Barca ny Real Madrid
Hotanterahina anio ny lalao manasa-dalana mandroso ny fifaninanana “Copa Del Rei” any Espaina. Hihaona amin’ny Barcelone Fc ny Real Madrid Fc. Lalao hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Santiago bernabeu. Hanala vela amin’ny fihaonan’ny roa tonta ny Real Madrid. Tsiahivina fa resin’ny Barça tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Real, nandritra […]
Volley- CAVBZone 7 : voalohany ao amin’ny vondrona C ny GNVB lehilahy
Misongadina tanteraka ny ekipan’ny GNVB lehilahy, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, tontosaina ao Maorisy. Tafapetraka eo amin’ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C izy, taorian’ny lalao natrehana omaly. Nahazo fandresena nanoloana ny Quatre bornes Volley ball Maorisy, tamin’ny seta 3 […]
JIOI-MJS-Federasiona : nanao fivoriana ara-teknika
Efa tena tafiditra tanteraka amin’ny fanomanana matotra ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao, ireo rantsa-mangaika rehetra. Niaraka nivory nandinika ny lafiny ara-teknika, ny talata lasa teo, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny federasiona isan-tsokajiny. Nanatrika ity fivoriana ara-teknika ity teny amin’ny […]
Malagasy rugby: andrasana ny sazin’ireo ligy dimy
Niatrika ny “Codis” ireo filohan’ny ligy dimy tsy manaiky ny nahalany an-dRakotomalala Marcel. Nangataka fanazavana momba ny hetsika nataon’izy ireo ny teo anivon’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezana. Tsy mbola nivoaka ny sazin’ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Saingy mbola hodinihin’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezan’ny fanatanjahantena ny […]




