Maro ny tanora no liana amin’ny kolontsaina sy mandala ny maha Malagasy. Izany indrindra no nikarakarana izao fankalazana izao hamerenana tsikelikely ny maha Malagasy sy hambolena izany ao an-tsainy. Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny tafatafa ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny momba ny fankalazana ny […]
Taratra
KMSI : “Hojerena ny iraisana amin’ny fikaonandoham-pirenena”
“Efa miteny an’io fikaonandoham-pirenena io avokoa ny rehetra, fa inona no iraisana aorian’izao zava-mitranga rehetra izao?” hoy ny mpitarika ny Komity miaro ny soa iombonana (KMSI) sady eo anivon’ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean-Ignace. Misy ny fanantenana fa efa latsaka an-katerena ny firenena. Mbola misy olon-kendry ireo. Ireo raiamandrenim-piangonana. Angatahin’ny KMSI […]
Minisitra R. Landy : “Hanakaiky vahoaka ny fitsarana”
Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy tamin’ny fanokafana ny atrikasa momba ny serasera, tetsy Tsaralalàna fa manana tamberin’ andraikitra amin’ny vahoaka ny fitsarana. “Tokony hanao fanambarana mazava sy mangarahara momba ireo raharaham-pitsarana sy ireo didy mivoaka isika. Ao anatin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona fitsarana manakaiky vahoaka sy azo itokisana izany”, […]
Fiainam-pikambanana Mandritsara : tsy manaiky hatao fitaovana politika ny Fizama
Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Itaosy ny Fikambanan’ny zanak’i Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny lahatenin’ny filoham-boninahitra, Navony Pierre Lenoble tamin’izany. “Aoka tsy hanaiky hatao fitaovana politika isika zanak’i Sofia. Aza manaiky hosaraham-bazana sy ampiadiana”, hoy izy. Nanamafy izany ny filohan’ny Fizama, Tsiarovana Bergès Angelino ka nilaza fa […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Tsy miova ny tsy fiandaniantsika”
“Zavatra roa nodinihinay tao. Voalohany, ny fanambarana navoakan’ny fitondram-panjakana malagasy milaza fa tsy miova ny toeran’i Madagasikara. Izany hoe tsy miandany atsy na aroa”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sylla Yvette, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasaodoron’i Rosia azy, teny Anosy, afakomaly. Voaresaka tamin’ izany ny momba ny fehin-kevitra […]




