Resabe indray tao anatin’ny andro maromaro ny mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Maivoky ny fanakianana sy ny fiampangana azy ireny ho mpisandoka sy mpisoloky izy ireny. Indrindra ny fikambanana sasany, izay tena efa niroborobo manerana ny Nosy. Mazava ho azy, tsy azo ekena ny filalaovana ny ain’ny olona sy fanandrakandramana amin’ny […]
Taratra
Fitsaboana nentim-paharazana: gaboraraka Tanteraka !
Tandindonin-doza ny fahasalamam-bahoaka ! Maniry toy ny anana ny toeram-pitsaboana milaza ho nentim-paharazana. Sehatra iray hanjakan’ny gaboraraka. Mitazam-potsiny ny fanjakana ! Mirongatra izay tsy izy ireo mpitsabo milaza fa nentim-paharazana indrindra ny eto an-drenivohitra! Na tsy manana taratasy fahazoan-dalana ara-dalàna aza ny ankamaroan’izy ireny, na manana fa manita-kevitra manao zavatra hafa ivelan’ […]
Tselatra
Avotra soa aman-tsara ilay zaza varira nalaina an-keriny tao Vangaindrano herinandro vitsy lasa izay. Hita afakomaly, tao amin’ny fokontany Andriambe, kaominina Ambatolahy, distrikan’Ihsy izy. Velon’aina ilay zaza raha notrohan’ireo tsy mataho-tody kosa ny ampahan’ny rany. Vokany, olona miisa dimy no voasambotra tamin’ity raharaha ity raha mbola karohina kosa ireo efatra […]
Mandritsara : lehilahy nisoloky dimy tapitrisa Ar voasambotra
Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy iray avy any Soanieran’Ivongo, nisoloky vola mitentina 5 300 000 Ar tao Mandritsara. Mpiara-miasa tamin’io lehilahy io ihany, tamin’ny alalan’ny fividianana jirofo ity nambakainy ity. Nentiny nandositra anefa ny volabe. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Nataon’ny […]
Fitsaram-bahoaka : mpangalatr’omby matin’ny fokonolona
Niharan’ny hatezeram-bahoaka rehefa nikasa hanohitra, maty ny jiolahy iray voatondro ho nangalatr’omby tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, ny alahady teo. Nitrangana halatr’omby tao amin’io fokontany io. Tsy hita popoka ny omby iray ka nanao fanarahan-dia ny fokonolona. Lohan’omby sisa hitan’izy ireo. Tsy lavitra teo amin’io toerana io, nisava […]




