Niatrika mpitsara mpanao famotorana omaly ireo enin-dahy voatondro ho nanolana ankizivavy 13 taona tao Toliara, iray volana lasa izay. Naharitra ora maro ny fanadihadiana ary naverina teny amin’ny fitsarana indray ny raharaha ny tolakandro. Fantatra fa mpanakanto ireto voarohirohy ho nanolana ankizy tsy ampy taona ireto. “Nihazo ny renivohitra kosa […]
Taratra
Antsirabe: tratra ny andian-jiolahy mitam-piadiana
Tohivakana ny fanafihana mitam-piadiana ao an-tanànan’ Antsirabe. Manoloana izany, nanao hetsika manokana ny polisy hamongorana tanteraka izany. Tratra tamin’ ny ampahany, ny faran’ny herinandro teo, araka izany, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Ambalavato, Ambohimena, Mandaniresaka ary Verezambola sy toerana hafa. Tratra niaraka tamin’izy ireo koa ny basy vita […]
“Kidnapping”- Morarano chrome: mitaky 200 Tapitrisa Ar ny mpaka an-keriny
Mangataka volabe aman-tapitrisa maro ireo jiolahy mpaka an-keriny tao Morarano chrome . Izany no takalon’ny famotsorana ireo takalon’aina telo eny am-pelatanany. Taorian’ny fifampiresahana an-telefonina nataon’ireo mpaka an-keriny tamin’ny fianakavian’ireo takalon’aina ao Ambohimanarivo-Morarano chrome. Mitaky vola mitentina 200 tapitrisa Ar ireo jiolahy ho tambin’ny famotsorana azy telo. Vola an-tapitrisa maro mampitolefika […]
Ambositra : mpangala-katsaka matin’ny fitsaram-bahoaka
Maty tsy tra-drano ilay mpangala-katsaka matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambositra ny faran’ny herinandro teo. Tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy nefa katsaka babiny roa no tratra teny amin’ity mpangalatra ity. Nentin-katezerana ny olona ka samy nitsaingoka nanala ny hatezerany tamin’ilay jiolahy. Naratra mafy vokatr’izany. Nisy ihany ireo olona nalahelo […]
Fiangonana RHEFI Androndrakely : hivavaka manokana ho an’ny firenena
Ity taona 2023 ity no manamarika ny 18 taona nisian’ny fiangonana Rhefi eto amin’ny Nosy, izay ao Androndrakely no misy ny foibeny. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity trano fivavahana ity, ny sabotsy teo, somary hiavaka ny fankalazana izany vaninandro izany, satria hanatontosa fotoam-pivavahana lehibe ao amin’ny Coliseum Antsonjombe […]




