Taratra

Amparafaravola: olona telo natao takalon’aina

Miverina indray ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Amparafaravola. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Morarano chrome, ny zoma teo. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina, niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tao an-toerana ny andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika ka nampihorohoro ny tompon­trano sady nitady vola. […]

Orange Pro League: hihaona ny CFFA sy ny Elgeco

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro fahafito amin’ny fifaninanana “Orange Pro League”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus Analamanga. Lalao ho­tanterahina rahampitso ala­hady, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass. Mari­hina fa samy ao anatin’ny kaonferansy atsimo izy ireo. Adin’ny mpanazatra ny […]

Olan’ny rugby: toherin’ny ligy Rakotozafy Rosa

Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena, Rakotozafy Rosa ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Mar­cel, filohan’ny Malagasy Rugby. Nomen-dRamatoa Rosa ny filohan’ny Malagasy Rugby ny taratasy fahazoan-dalana na « certificat de con­formité », ny 13 febroary lasa teo. Naneho ny alahelony momba izany ireo filohan’ny ligy […]

Rugby –XXL Top 20: hanokatra ny lalao ny Cosfa sy ny JSTA

Hotanterahina rahampitso alahady ny fifaninanana “XXL Top 20” taranja rugby. Hifandona amin’ny lalao voalohany ny Cosfa sy ny JSTA Ambondrona, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka amin’ny 9 ora maraina. Lalao andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny Ambondrona. Tsiahivina fa ekipa nanao lalao famaranana ny “Super coupe Mada […]