Ny telo volana voalohany sy faharoa tamin’ny 2022, dia betsaka ny fanjifana solika manerana ny Nosy. Nitombo betsaka izany tamin’ny 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021. Nitombo ny fanjifana solika amin’ny ankapobeny, toy ny solika fandrehitra sy ny gazoala tamin’ny taona 2022. Izany fitombon’ny fanjifana solika izany dia noho ny fahamaroan’ny […]
Taratra
La Réunion-Madagasikara : miara-miasa ho an’ny fampandrosoana
Mitohy ny fitsidihana ofisialy nataon’ny delegasion’ny Antenimerandoholona, tarihin’ny filohany (PS), Razafimahefa Herimanana atsy amin’ny nosy La Réunion. Nisy ny fivoriana manan-danja nataon’izy ireo, niaraka tamin’ny filohan’ny faritra Réunion, Rtoa Huguette Bello, ny 22 febroary teo. Vontoatiny ny hisian’ny fiaraha-miasa mafonja, tsara rafitra ary maharitra eo amin’ny faritra La Réunion sy […]
Jirama: hazavaina ny elakela-trano
Nosantarina teny amin’ny fokontany Andohan’i Mandroseza, ny alakamisy 23 febroary alina teo, ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano » tanterahin’ny Jirama. Miisa 20 ny jiro « cobra » napetraka tamin’ny elakela-trano, tsy nisy jiro nanazava hatramin’izay. Nanatrika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nilaza ny filohan’ny […]
Ben’ny Tanàna Ankilimalinike: «Mila ataon’ny Base Toliara laharam-pahamehana ny tanora eo an-toerana»
Faritra voakasiky ny tetikasa Base Toliara ny kaominina Ankilimalinike sy ny fokontany Ranobe, samy ao anatin’ny distrika Toliara II. Manamafy ny fitakiana hanokafana indray ny orinasa ny mponina, satria mihalalina ny fahantrana vokatry ny tsy fisian’ny asa sy ny fampandrosoana any an-toerana. Miray hina ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, […]
Ampangabe-Anosipatrana : mpamaky trano noraisim-potsiny
Intelo voatondro ho namaky ny tranon’ny mpiray vodirindrina aminy, nidoboka am-ponja ny lehilahy iray voasambotra tetsy Ampangabe – Anosipatrana, ny alarobia teo. Nipetraka tao amin’io trano nangalarany io ity lehilahy ity talohan’ny mpanofa vaovao. Tsy niova ny hidin-trano ka nanararaotra izany izy rehefa tsy nisy olona tao an-tanàna. “Nalainy ny […]




