Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray nahavita nikasi-tanana an-dreniny tao Ambatomanga, ny alatsinainy teo. Nifamaly tamin’io reniny niteraka azy io ny zanany mirahalahy. “Tsy salama saina firy anefa ny zokiny. Nipetraka tsy nanao na inona na inona araka izany izy”, hoy ny fianakaviany. Vokatry ny fifamaliana noho ny fahasimban’ny bisikileta […]
Taratra
Takaitra navelan’ny rivodoza : « An-kianja avokoa ny miaramila… », hoy ny MDN
Manome tanana ny vahoaka ao Mahanoro amin’ny fanarenana ny simba koa ny miaramila avy ao amin’ny ZDS Pangalana. Araka ny toromarika napetraky ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa dia an-kianja avokoa ny miaramila. Manampy amin’ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ny miaramila amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny […]
Antoko MMM: manao fitsidihana any ivelany i Andrianainarivelo Hajo
Tsy ny fitetezam-paritra fotsiny ihany no iomanan’Andrianainarivelo fa efa miomana amin’ny vinany sy ny heviny momba ny fampandrosona an’i Madagasikara sy Afrika, amin’ny alalan’ny fitsidihany firenena maro any ivelany. Mitsidika an’i Eoropa ny filoha nasionalin’ ny Antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ankehitriny. Mihaona amin’ny tompon’andraikitra ara-politika sy ara-toekarena isan-karazany ary […]
Fametrahana ny e-SIGL : hampiharina eto Madagasikara ny traikefa ao Malawi
Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, notohanan’ny USAID Madagascar, amin’ny alalan’ny tetikasa Impact miampy ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Unicef dia manao fitsidihana arahina fifanakalozana any Malawi ny 20 hatramin’ny 28 febroary izao. Tanjona ao anatin’izany fivahinianana izany ny hianatra ny traikefa ao Malawi eo amin’ny fampandrosoana sy ny fampiharana ny e-SIGL na ny […]
Takaitran’i Freddy: 80 409 ireo traboina amin’ny faritra fito
Fito ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, araka ny tatitry ny BNGRC omaly maraina. Telo maty vokatry ny fianjeran’ny trano, efatra maty an-drano avokoa. 80 409 ny traboina avy amin’ny tokantrano 20 501 anatin’ny faritra fito voakasika: Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Menabe ary Amoron’i Mania. […]




