Taratra

Jly Rakotoarijaona Josoa : “Zava-dehibe ny fiaraha-miombon’ antoka eo amin’ny mpitandro filaminana”

Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, araka ny famelabelarana ny fandaharan’asa nataon’ny MDN, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ,omaly… Tanjon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny hiantoka tanteraka ny fandriampahalemana amin’ny sehatra rehetra na an-tanety na ana habakabaka na an-dranomasina, araka ny fa­na­zavan’ny minisitry ny Fia­rovam-pire­nena […]

Dren Analamanga: miverina manomboka anio ny fampianarana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, foana ny filazana mi­loko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Noho izany, miverina ny fampianarana anio sy rahampitso ho an’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola ka ha­tramin’ny kilasy famaranana. Voakasika avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana […]

Andron’ny skoto : navitrika tamin’ny fanomezan-dra ireo tanora

Nomarihina tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra ny an­dron’ny skoto, omaly. Tonga maro ireo skoto nanome ra an-tsitrapo teny amin’ny HJRA. Mariky ny fiombonan’aina amin’ireo olona mila ra ary fanavotana ny ain’ny mpiray tanindrazana rahateo no natao. Nifanojo tamin’ny fahatongavan’ny rivodoza Freddy ihany koa ny andron’ny skoto omaly. Naneho fahavononana amin’ny fifanomezan-tanana ho […]

Fitantanana ny fako: miara-miasa ny CUA sy ny Jica

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny tetikasa fitantanana ny fako eto an-dRenivohitra (GESDA), izay iarahana amin’i Japon ho fanampiana ny kaominina sy ny SMA amin’ny fako eto Antananarivo. Misokajy roa ny tetikasa dia ny fanomezana fitaovana hampiasain’ny SMA sy ny fifanakalozana traikefa iarahana amin’ireo manam-pahaizana avy any Japon. Miken­dry ny […]