Taratra

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: hotendrena tsy ho ela ireo masoivoho

Anisan’ny fandaharanasan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla ary nohamafisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly ny hanendrena ireo masoivohon’i Madagasikara, any ivelany. “Hanomboka amin’ny alarobia izao ny fanendrena ny ambasadaoro any amin’ ireo firenena tsy mbola ananantsika solontena”, hoy izy. Nambaran’ny minisitra fa tafiditra anatin’ny velirano fahatelo ary mifandraika […]

Tsy fanarahan-dalàna: manaitra ny praiminisitra ny antoko Tim

Nanatitra taratasy teny amin’ny Lapan’i Mahazoari­vo, ho an’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny antoko Tim. Nosoniavin’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc izany. “Mangataka amin’ ny praiministra izahay mba handray ny andraikiny manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna , amin’ny maha lehiben’ ny OMC azy”, hoy ny votoatin’ny taratasy. Notsiahivin’izy ireo tamin’ izany fa manana […]

Minisitra, Randriamanantenasoa Landy: “Hohafainganina ny raharaham-pitsarana eo amin’ny ady tany”

Anisan’ireo minisitra na­metraka ny laharam-pahamehany nanoloana ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra teny Iavoloha, omaly ny minisitry ny Fitsarana, Randria­manantenasoa Landy. “Ho­jere­na manokana ny ady tany ka hapetraka ny paikady fanafainganana ny fanadihadiana ireny antontan-taratasy ireny. Tsy mbola mijoro ny tribonalin’ny fananantany nefa tsy manakana ny hametrahana dingana izany hanafainganana […]

ONG Tolotsoa: “Liana amin’ny politika ny tanora”

“Hita fa liana ny tanora, niantefan’ny adihevitra. Tsy misakana ny rehetra hifam­piresaka izay. Liana amin’ ny raharaham-pirenena ry zareo”, hoy ny mpandrindra eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, teny Antaninarenina, afakomaly. Mivohitra ao anatin’ny adihevitra ny tsy fisian’ny olon-kotahafina na fitaratra. Mila fitaratra ny tanora hampazoto azy amin’ny […]