Misy seranan-tsambo 17 samihafa eto Madagasikara. Sokajy voalohany, ho tombontsoam-pirenena (PIN)* sy sokajy faharoa, ho tombontsoan’ny faritra (PIR)*. Anisan’ny ny seranan-tsambo sokajy PIN i Mahajanga. Maro amin’ireo seranana ireo mihasimba, tsy araka ny maha Nosy an’i Madagasikara, Seranan-tsambo anisan’ny lehibe sy matanjaka ny ao Mahajanga, hatramin’ny andron’ny fanjanahantany, repoblika voalohany […]
Taratra
Tsenan’Anosizato : nahena ny fandoavana haban-tsena ho an’ireo mpivarotra
Nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’Anosizato ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny mpiara-miasa aminy, omaly maraina. Noho ny fisian’ny krizy, nohalefahiny ny fandoavana ny haban-tsena mbola tsy voaloan’ireo mpivarotra eny an-toerana. Maro ny fangatahana nataon’ireo mpivarotra nandritra ny fihaonana. Nitaky ny fitaovana hanadiovana sy hanalana ny fako mitoby eny anivon’ny tsena […]
Politika avokoa…
Politika avokoa izay mitranga sy atao rehetra amin’ izao? Azo heverina ho misy antony amin’izany, na izay tsy inona aza. Na dika politika io, na vokatra politika. Ao anatin’ny zotram-pifidianana izao. Tsy azo ferana tsy handeha amin’izany ny fisainana sy fitsarana amin’izay mitranga sy atao rehetra, indrindra eo amin’ny mpanao […]
Fanovana fomba fiasan’ny governemanta : notakin’ny filoha vokatra anaty fe-potoana ireo minisitra
Niarahaba ireo minisitra, mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Natsidiny sahady koa anefa ny fomba fiasa vaovao, manomboka izao ka nanafarany ireo minisitra tsirairay avy. Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy mametraka tetiandro avy izy ireo ka ho tsapa sy ho hita anatin’ny telovolana sy […]
MIVARO-TENA AMIN’NY INTERNET : sivy vavy voasambotry ny zandary
Hiatrika fampanoavana tsy ho ela ilay vehivavy tompona orinasa fivarotan-tena anaty internet tao Mahajanga. Ny zoma teo, tratra tao Ambalavato ity tambazotra mamoafady ity ka voasambotra tamin’izay ireo valo vavy miasa amin’izany. Sarona nandritra izay koa ireo fitaovana fampiasan’izy ireo. Eto an-drenivohitra no fanaovan’ilay vehivavy ny tolotr’asa omeny. Namaly izany […]




