Nikasika tamin’ny trano vita amin’ny tafo vy, niraikitra ny zazavavy kely iray tao amin’ny tsenan’Ankirihiry ny alatsinainy 20 febroary teo. Niara-nilalao teo an-tokontany ireo zaza mirahavavy. Kambana, nanaraka ny rahavaviny hatrany ilay zazavavy kely iray. Kinanjo, niraikitra tampoka tamin’ny tariby nisy herinaratra ilay zazavavy vao herintaona sy tapany. Niezaka nanavotra […]
Taratra
Antsobolo : andian-jiolahy nanafika tranona mpianatra
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy teny amina tranon’ny mpianatra eny Antsobolo ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Tamin’io fotoana io, nitety ireo trano teny amin’ny manodidina ireo jioalahy saingy tsy nahavaha trano. “Nifindra tato aminay izy ireo ka niezaka namoha ny varavarana tamin’ny lakile. Renay izany ka nitsoaka avy […]
Avy naka vola teo amin’ny GAB : nosintonin’ireo roa vavy ny poketran’ilay ramatoa
Lasan’ireo roa vavy ny poketran’ny renim-pianakaviana iray avy naka vola tao amina GAB iray eny Ankorondrano, omaly… Manao ny ataony koa ny vehivavy! Voasambotry ny polisy nanao fanamiana sivily ireo roa vavy nanendaka renim-pianakaviana iray avy naka vola teo amin’ny masinina fisariham-bola amin’ny alalan’ny karatra (GAB), omaly, teny Ankorondrano. Narahan’ […]
Minisiteran’ny Toekarena : atrikasa fampitoviana ny fanaraha-maso ny tsenam-panjakana
Nisy atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, momba ny Tolotra atao eo amin’ny tsenam-panjakana (Marché public) nanomboka ny 20 hatramin’ny anio 22 febroary 2023 teto Antananarivo. Atrikasa mandritra ny telo andro ho fanofanana ara-teknika ireo mpikambana ao amin’ny Komitim-pirenena momba ny tsena (Commision Nationale des Marchés) Fanofanana ara-teknika mifantoka […]
Antenimieran-doholona : fiaraha-miasa amin’i La Réunion
Mamita iraka ofisialy atsy amin’ny Nosy La Réunion ny filohan’ny Antenimiera-doholona, Razafimahefa Herimanana nanomboka ny 19 febroary teo. Miara-dia aminy ny loholona Eddie Serge Fernand sy ny kestiora Manasoa Donat Tang. Maro ny fihaonana sy ny fivoriana ataon’iz6y ireo miaraka amin’ny faritra La Réunion, hikarohana ny fiaraha-miasa azo atao eo […]




