Taratra

Tsy fanjarian-tsakafo: Ampiasaina ny drones hamatsy ireo toerana saro-dalana

Miha mivoatra ny teknolojia ho fanatsarana ny famatsiana sakafo ireo olona any amin’ny toerana saro-dalana. Ampiasaina ny drones ka vetivety dia voavonjy ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Manavotra ireo olona mila tohana ara-tsakafo maika any amin’ny toerana saro-dalana sy alavitra ny fampiasana drones tactiques. Notanterahina tao amin’ny toby fanjarian-tsakafo ifotony […]

Sekoly katolika : Mitohy ny fanaovana fanadinana CEPE-BEPC ary bakalorea

Nanoritsoritra ny hitondrana ny fanabeazana eo anivon’ny sekoly katolika eto amin’ny diosezin’Antananarivo ny mpitantana rehetra nandritra ny hadimiana, teto an-dRenivohitra. Mitondra ny andinindininy ny mpiandraikitra ny Direction diocésienne de l’éducation catholique (Didec) Antananarivo. Nisy fivoriana sy fiofanana teny amin’ny Ekar notre dame de Rosaire Antohomadinika notanterahin’ny mpiandraikitra ny sekoly katolika, […]

TARATRY ny KANTO

“Amour’Rire” 3, etsy amin’ny CCEsca Anta­nimena. Rahampitso alahady 16 febroary ilay fotoana nomen’ireo mpanao hatsikana: i Francis Turbo, Honorat, Riri sy Aldini, Rajao ary i Raytra Belawick. Samy hanao ny azy, fa maro koa ny iarahana ao. Hatsikana amin’ny endriny rehetra mihitsy, ahitana ny fisehatra tranainy, ny stand up, ny […]

Hira fanevan’ny RNS : Nahazo voalohany ny Gasy Band

“Ambohipihaonan’ny Ma­la­ga­sy, Malagasy miketrika aty an-dafy…”. Izay ny fiandohan’ny hira vaovaon’ny Gasy Band. Io hira io no nahazo ny voalohany, ka hatao hira fanevan’ny fankalazana ny faha-50 taona nisian’ny “Rencontre nationale sportive” na ny RNS. Nifaninana nandritra izany koa ry Baomba Gasy, Lalah ary Bana, saingy ity an’ny Gasy Band […]

Kianja Masoandro : Handray seho haisorakanto

“Ikaloy fitiavana ny tenindrazantsika”. Io ny lohatenin’ny seho haisorakanto, izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Ma­soandro Anatirova, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany. Hifarimbona hanatanteraka izany i Rima sy Tsiahy Andriani­na, mpanoratra sy poeta, samy manana ny hanitra ho azy. “Fifanorohana tsy nahy, iarahako amin’i Tsiahy Andrianina”, hoy ny famaritan’i Rima […]