Distrika 81 manerana an’i Madagasikara no nahitana trangana kitrotro, tamin’ity taona ity. Manoloana izany, manamafy hatrany ny fepetra sy fisorohana ara-pahasalamana ny fitondrana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, hifehezana sy handresena ity valanaretina ity. Tsy fanaovam-baksiny faobe ihany no hotanterahina fa eo koa ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny andavanandro, amin’ny paikady “stratégies […]
Taratra
Herisetra an-tokantrano: renim-pianakaviana roa namoy ny ainy
Vehivavy roa samy namoy ny ainy vokatry ny herisetra nahazo azy. Renim-pianakaviana iray vao 20 taona monja tsy tana ny ainy, tao amin’ny fokontany Soamiarana, kaominina Arivonimamo, ny alin’ny talata 8 septambra teo, tamin’ny 8 ora. Nahitana dian’antsy maromaro tamin’ny vatan’ity vehivavy ity, tamin’ny fotoana namonjen’ny fianakaviany azy tao amin’ny […]
Sandratra Atsinanana: nanome sehatra ireo mpianatra
Nanamarika koa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ny tany Brickaville, ny alarobia lasa teo. Nandray ny hetsika ny CEG Brickaville, ka nifarimbona tamin’izany ireo mpianatra, mpampianatra ary ny Sampana Faribolana Sandratra Atsinanana. Nanome sehatra bebe kokoa ireo mpianatra ireo poeta sy mpanoratra, nahafahan’izy ireo niantsa […]
Tontolon’ny dihy: maniry hiatrika seho iraisam-pirenena i Bboy Fabio
Anisan’ny Malagasy mpandihy, manana ny lazany eto Madagasikara, i Tovonirina Thierry Fabio na i Bboy Fabio. Efa nahazo indroa misesy ny fifanintsanana teto Madagasikara ny lehilahy ary maniry ny hifaninana amin’ireo mpandihy iraisam-pirenena. Tovolahy 28 taona, efa manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny dihy, indrindra ny Break Dance, i […]
Fahaiza-manao niomerika: nihaona ny METFP sy ny mpitantana ny Gip Pix
Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Gip Pix, Benjamin Marteau, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Andriamampandry Todisoa Manampy, tamin’ity herinandro ity, tao Paris, Frantsa. Nifantoka tamin’ny fahazoana mari-pahaizana niomerika ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampifanarahana amin’ny fenitra, “Cadre de déférence des compétences numériques sy digitale compétence framework” […]




