Anisan’ireo nitondra sosokevitra teny Iavoloha ny Fikambanan’ny firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny fanavaozana ifotony nasionalin’i Madagasikara, afakomaly. Voarakitra ao anatin’izany ny momba ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fampielezan-kevitra. «Farafaharatsiny valo volana ny fotoana ho an’ny fampielezan-kevitra », hoy izy ireo amin’izany tolokevitra izany. Nambaran’ireto solontenan’ny ben’ny Tanàna ireto fa midadasika i […]
Taratra
Tselatra
Olona roa naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny moto teny Andranomena, omaly. Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray ny moto notaingenan’ireo roa lahy. Tsy nisy aina nafoy. Potika tanteraka ny lohan’ilay moto scooter tra-doza. Taksiborosy hihazo an’i Mananjary tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito tsy lavitra an’ Ambohimahasoa, omaly maraina. Nifatratra tanaty tanimbary […]
Halatra moto: telo lahy naiditra am-ponja
Nanao sakan-dalana amin’ny alina teny amin’ny fokontany Vahilava, distrikan’Atsimondrano ny polisy, saron’izy ireo, ny telo lahy nitaingina moto iray, ny alin’ny alatsinainy 7 septambra lasa teo. Nahatazan-davitra an’ireo mpitandro filaminana nanao ny asany, nandositra avy hatrany izy telo lahy. Nariany teo afovoan-dalana ny moto scooter marika Yamaha. Nanara-dia ny polisy […]
Lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra: mila mitandrina amin’ny bisikileta sy ny moto
Voalazan’ny mpamily fa niala bisikileta no nahafatesana olona efatra, teny amin’ny tonelina Ambohidahy, afakomaly. Nifandona tamin’ny moto ihany koa ny bisikileta nipoitra tampoka teny Soavimasoandro. Mila mitandrina ny mpampiasa lalana. Nitondra ny heviny, tamin’ ny alalan’ny vadiny, ilay mpamily taxi-be tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, afakomaly. « Niala bisikileta tampoka no […]
Fifanintsanana Can 2027: hisy mpilalao vaovao telo hanatevina ny Barea
Mbola eo am-piandrasana ny lisitry ny mpilalao hanatevina ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara, mandritra ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana “Can 2027”, ny mpankafy baolina kitra. Misy mpilalao vaovao telo anatin’izany. Raha tsy misy ny fiovana, hisy mpilalao telo vaovao nantsoin’ny mpanazatra Corentin Martins, hanatevina ny Barea mandritra ny andro […]




