Notolorana mari-pankasitrahana momba ny fambolena an-tanàn-dehibe tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, afakomaly, ireo vehivavy miisa 103. Avy amin’ny fokontany valo eto Antananarivo izy ireo. Nisy ny avy eny Ambodimita, Ambodihady, Andohanimandroseza, Ankazomanga Avaratra, Antetezana Afovoany, Ampefiloha Ambodirano, Ampangabe Anjanakifolo ary Amboditsiry. Fampiofanana nokarakarain’ny ONG Gret, tamin’ny alalan’ny tetikasa Aintsoa izy […]
Taratra
Fanabeazana momba ny Alzheimer: niofana ho lasa mpampiofana ny zokiolona miisa 20
Miara-dia ny fikambanana Madagascar alzheimer Masoandro Mody sy ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma). Tanjona ny hampivelatra haingana ny fahafantaran’ny fiarahamonina ny momba ny alzheimer sy ny aretina toa azy. Nisy, noho izany, ny fiofanana ho an’ny mpampiofana natolotry ny fikambanana Madagascar alzheimer Masoandro Mody, tao amin’ny foibeny, nisitrahan’ny solontena […]
Taranja handball: tompondaka ny My-Sah sy ny Littoral
Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy seniors, lahy sy vavy. Ho an’ny vehivavy, mbola voahosotra ho tompondaka indray tamin’ity taom-pilalaovana ity ny ekipan’ny My-Sah Itasy rehefa nandavo ny THBC Analamanga, tamin’ny isa 24 no ho 21. Raha […]
Vaovao tambatra
Ronono mandry 2 kaontenera efa lany daty no nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga noho ny tsy fandoavan’ny orinasa mpanafatra haban-tseranana. Tratra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo tomponandraikitra samihafa izany. Taorian’izay, naverina nohidiana ireo kaontenera ary nasiana tombokase. Andraisana fepetra ka tsy maintsy ho potehina ireo ronono mandry lany daty ireo. […]
Fampidiran-jiro: mahatratra 13 000 ny fangatahana miandry
Maro ny fitarainana voaray fa nangataka fampidiran-jiro vaovao nefa tsy nahazo valiny. Manome fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny Jirama fa tena marina io fitarainana io. Misy kosa ny fandaminana napetraka. Hatreto, tsy mandray ny fangatahana fampidiran-jiro vaovao ny Jirama, fa ifantohana aloha ireo fangatahana taloha. Manodidina ny 13 000 ny fangatahana […]




