Tratry ny vela-pandrika nataon’ny zandary tao Ambatondrazaka ireo naka an-keriny zazavavy varira 3 taona tany Vavatenina tamin’ny 5 septembra. Nokasain’ireo mpaka an-keriny hamidy izy. Misy fianakavian’ny renin’ilay zaza tamin’ireo olona dimy tompon’antoka tamin’ilay asa ratsy. Vehivavy ny telo ary lehilahy ny roa tamin’ireo voasaringotra. Namonjy alim-bavaka ny renin’ilay lasibatra. «Navelan’ny […]
Taratra
Fanatanjahantena: hanatevina ny tontolo ny Aikon
Tonga manatevina ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena ny gazety boky Aikon. Nampahafantarina ny zoma lasa teo, tao amin’ny efitranon’ny Kianja Barea Mahamasina ny fivoahan’ny laharana 00. Nambaran-dRakotondrasoava Fetra, talen’ny famoahana, fa mifantoka tanteraka amin’ny fanatanjahantena ny Aikon. Amin’ izao fiandohana izao aloha, isaky ny telo volana ny fivoahan’ity gazetiboky ity. […]
“Alahadin’ny firaisankina”: nahomby ny tolotra fitarafana maimaimpoana
Fahombiazana ny “Alahadin’ny firaisankina” nokarakarain’ny Institut médical de Madagascar (IMM), raha ny tombana avy amin’izy ireo. Santatra am-bavarano ny hetsika. Ankizy 25 no nisitraka fitarafana (échographie) maimaimpoana hahafahana manohy fitsaboana sy hahitana ny tena fototry ny aretina. Niaraka tamin’ny taratasy mazava avy amin’ny dokotera mpitsabo azy ireo ankizy ireo ka […]
Fanamafisana fahamailoana: mampiasa « Caméra » ny sekoly
Mbola miteraka horohoro eo amin’ny rehetra ny fahaverezana olona sy vono olona niseho nandritra ny fotoam-pialantsasatra ireny. Na ankizy na tanora na olon-dehibe, samy lasibatra avokoa. Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, manamafy ny fanaraha-maso ny mpianatra na ny ray aman-dreny na ny sekoly, ho an’ny fandriampahaleman’ ny zaza sy ny ankizy. […]
Seha-pamokarana lohamenaka: ampitomboina ny fahafaha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro
Nampahafantarina omaly, teny Ambatonakanga, ny tetikasa « Arche » izay hitondra fanavaozana ny fihariana mahakasika ny lohamenaka. Hampitombo ny fahafaha-miatrika amin’io seha-pamokarana io manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Marefo i Madagasikara noho ny fikorontanan’ ny toetr’andro, mihamafy ny fisehon’izany. Vokany, marefo ny seha-pamokarana lohamenaka. Miankina amin’ ny fambolena sy ny toetr’andro. […]




