Ho fiarovana ny ain’ny mpianatra sy ny mpanabe manoloana ny fanafihan’ny rivodoza Freddy dia naato ny fampianarana ho an’ny distrika 10 ao amin’ny faritra Fitovinany sy Atsinanana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitry ny fampianarana fa mitsahatra avokoa ny fampianarana rehetra manomboka anio hatramin’ny zoma izao any amin’ ny faritra Fitovinany sy Atsinanana. […]
Taratra
Fiavian’ny rivodoza Freddy: miomana amin’ny famatsiana ny minisitera
Miomana amin’ny fiavian’ ny rivodoza Freddy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC). Halefa any amin’ny faritra samihafa dieny izao ny Vary Tsinjo hitsinjovana ny mety ho fahasarotana amin’ny famatsiana noho ny andro ratsy na mety ho fahatapahan’ny lalana. Niainga teto Antananarivo tamin’ny 19 febroary 2023 […]
Instat – sendikan’ny mpiasa: “Apetraho haingana ny tale jeneraly raikitra”
Niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Anosy ireo mpiasa eo anivon’ny Instat, omaly. Tsy misy tale jeneraly ny ity sampandraharaha ity hatramin’izao. “Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany ka tsy mihodina ara-dalàna ny asa”, hoy ny ny tale jeneralin’ny sendikan’ny mpiasa birao eo anivon’ny Instat, Andrianirina. “Takinay ny hametrahan’ny fanjakana […]
Fanafarana entana: maty antoka ny mpandraharaha
Fito volana toarian’ny nanafarana entana, velon-taraina ireo mpandraharaha manana entana amina orinasa mpanafatra entana iray eto an-dRenivohitra, omaly. «Misy efa entana tamin’ny volana aogositra 2022 ireo entanay ireo kanefa tsy mbola azo hatramin’izao », hoy ny solontenan’ izy ireo. Olana, ny krizy vokatry ny tsy fisian’ny vola eo amin’ilay orinasa mpanafatra […]
Tetikasa fihariana: mpampindram-bola maro nisitraka fitaovana amin’ny faritra samihafa
Isan’ny paikady hanatanterahana ny vinan’ny fihariana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Entina indrindra izany amin’ny fikirakirana ny vola miditra sy mivoaka amin’ny fanjakana, eo amin’ny orinasa, ny mpandraharaha matihanina, ary ny isam-batan’olona, sy ho fampandehanan-draharaha. Mpampindram-bola madinika hoenti-miasa (Institutions de Micro Finance IMF) 10 (1) no nisitraka fampitaovana haitao […]




