Taratra

Fondation H: miezaka mampiroborobo ny kolontsaina

Tanjona napetraka, tany am-piforonany ny hampiroborobo sy hiantsoroka ny kolontsaina, ho an’ity ivontoerana ity. Misokatra ho azy ireo sy ny mpankafy haikanto ny toerana vaovao, nampifanarahana amin’ny filan’ny mpahay kanto. Notanterahina ny 20 fe­broary 2023, teny amin’ny Radisson Blu An­tananarivo, ny fampahafantarana ny toerana vaovao hisy ny Fondation H. Nam­pa­ha­fantarina […]

Vahoaka miray: “Tsy kilalaon-jaza ity”

“Tsy kilalaon-jaza ny fi­renena. Aza mifamitapitaka. Takatry ny vahoaka izay tianareo holazaina”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, manoloana ny hanovana ny mpikambana eo anivon’ny go­ver­nemanta. “Misy asa mandeha ao anatin’ny valo volana, raha minisitra no soloina. Ireo teknisianina amin’ny minisitra no soloina, raha hoe […]

MFM : “Aoka mba ho governemanta tsy miandany”

“Raha governemanta tsy hanao afa-tsy fifidianana, ka governemanta tsy mitanila sy tsy miandany ary hanatanteraka izay tapaka amin’ ny fikaonandoham-pire­nena: izay no takina.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rako­tovazaha Olivier, manoloana ny fanovana na fanamboarana governemanta amin’izao. Eo indrindra koa ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Re­poblika amin’ny 9 novambra […]

Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo : “Fanomezan-kasina ny eny ifotony ny fifidianana”

Nitohy tany Miarinarivo, Itasy indray ny fihaonan’ny birao foiben’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ireo mpikambana ao aminy. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany fa maika koa ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. “Taratry ny tsy fa­nomezan’ny fanjakana lanja ny eny ifotony ny tsy fanaovana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina amin’ity taona ity. […]