Taratra

« Raharaha Allan »: olona 10 nalefa eny Antanimora

Niakatra fampanoavana afakomaly hariva ireo olona 10 voasaringotra tamin’ilay vono olona mahatsiravina tetsy Andavamamba, ny herinandro teo. Taorian’izay, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa izy 10. Isan’izany ireo mpivady voatondro ho atidoha nikotrika ny raharaha, ny rahalahin’ilay lehilahy sy ireo namany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa resaka hofan-trano no namonoana […]

Tsy afa-miala !

Mazava ny lalan-kizoran’ny firenena ankehitriny. Tsy maintsy miroso amin’ny fanovana ny fitondrana. Miditra amin’ny fampidirana ekipa vaovao indray, hiara-hanamory ny lamasinina. Fito volana mialoha ny fametrahan’ny filoham-pirenena fialana , filaharam-be ny fanaterana CV na ny antontan-taratasy hifantenana ny hiondrana. Fepetra maromaro no takina amin’izay hifantenana, toy ny fandraisana anjara mavitrika […]

Fanovana governemanta: filaharambe ny fanaterana antontan-taratasy

Misahotaka ny mpanao politika. Ilaharana ny fidirana ny birao foiben’ny antoko mpanohana ny filoham-pirenena. Tsy hiova daholo ny mpikambana rehetra amin’ny governemanta. Homen-danja ny antoko sy fikambanana mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana. Eo am-piandrasana izay anarana hisolo praiministra sy ny mpikambana vaovaon’ny governemanta ny olom-pirenena, indrindra ny mpanao politika. Vantany vao […]

Morafeno: nifampitifitra ny dahalo sy ny zandary

Naharitra ora iray ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny zandary nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ ny fokonolona tao Ambo­di­manga, Morafeno ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo. Nentin’ny dahalo nandositra ny omby dimy an’ny olona iray tao amin’io fokontany io. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny lasibatra ka raikitra […]

Arivonimamo : varotra kamiao nivadika ho fisolokiana

Manana fitarainana avy amin’ny olona ny eny an­ivon’ny polisim-pirenena, ramatoa mpividy fiara, monina ao amin’ny fokontany Ata­boka, kaominina sy Dis­tri­kan’Arivonimamo no nivadi-pitokisana ka mampitaraina ireo izay sendra azy. Anisan’ ireo lasibatra ny renim-pianakaviana iray ao Antanifotsy. Nivarotra kamiao lehibe iray tamin’io ramatoa voatondro ho mpisoloky io izy. Misy taratasy fifanarahana […]