Taratra

Varotra lavanila: tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana

Nitondra fanazavana momba ny lavanila ny minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, omaly, tao Ambohidahy. Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana na misy ihany aza ireo mpandraharaha mpanondrana manao antsojay ny vidiny. Mandalo krizy ny lavanila malagasy. Tsy mividy lavanila voa­omana ny mpandraharaha nahazo fankatoavana (agréement) […]

Andron’ny mpifankatia : samy nanana ny fankalazana

Isan’andro ny fetin’ny mpifankatia. Fa nanao hetsika fahatsiarovana amin’ny maha fankalazana izany ireo mpifankatia nanontaniana. “Nanomana fanomezana ho ahy ny vadiko vao nifoha maraina”, hoy i Toky. Nilaza izy fa tsy nanam-po izany fi­he­tsika nataon’ny vadiny izany. “Tsara ny fitia mifamaly ka noentiko tany amin’ny toeram-pisakafoana iray ny vadiko mba […]

Mafana ny andro: tomefy olona ny dobo filomanosana

Migaina ny andro tao anatin’ny roa herinandro izao. Fotoana fisokafan’ny dobo filomanosana rahateo ka manararaotra milomano ny olona rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, feno ireo toeram-pilomanosana ary tomefy olona mihoapampana aza izany amin’ny ireo toerana sasany. Mandray ny fepetra rehetra amin’ny fiahiana ireo olona tonga […]

Olona voan’ny androbe: afaka miasa rehefa manaraka fitsaboana

Manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny aretina androbe ary manana paikady enti-miasa ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny olona voan’izany aretina izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nametraka iray volana hiadiana amin’ny androbe ny minisi­tera izay nanomboka ny 13 febroary teo , daty anamarihana ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny aretina androbe. Misy koa […]