Mpivarotra hani-masaka miisa 40 teto Antananarivo nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny INTH (Ivon-toeram-pampianarana misahana ny fizahantany sy hotely) omaly. Mpivarotra teo anivon’ny tsenan’ny Mahamasina, Soamanatombo ary Zemaika izy ireo. Niompana amin’ny « securité alimentaire » ny fiofanana nomena azy ireo hoy ny tompon’andraikitra. Nojerena manokana ny fomba atao mba hialana amin’ny ahiahin’ny mpanjifa […]
Taratra
Tetikasa sekoly telma : mpianatra 164 nisitraka izany teny Alasora
Notokanana ny fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny EPP Alasora, afak’omaly. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « sekoly telma » izany. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 164 eo anivon’ny sekoly. Niaina ny haratsian’ ny toeram-pampianarana ny mpianatra sy ny mpampianatra teo aloha, hoy ny talen-tsekoly, Nivoharisoa Marie Larissa. Anisan’izany ny tafo mitete, ny seza sy […]
Oniversiten’Antananarivo: misokatra ho an’ny olon-drehetra ny “American Corner”
Anisan’ny be mpampiasa indrindra ny fiteny Anglisy maneran-tany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny oniversiten’ antananarivo ny ivontoerana American Center, omaly. “Misokatra ho an’ny olon-drehetra tia sy mankafia teny Anglisy izany”, hoy ny talen’ny fampianarana teny Anglisy eny anivon’ny anjerimanontolo, Andrianarivelo Harilala. Tanjona ny hampiroboroboana ny teny anglisy sy hampahafantarana […]
Fanatsarana ny fampianarana nomerika : mpianatra 14 000 hahazo “connexion” maimaimpoana hakana lesona sy fizarana
Mila hafainganina ny fanaparitahana ny fampianarana nomerika eto Madagasikara. Tanjona ny fampandrosoana ny fanabeazana, araka ny nisongadina nandritra ny fivoriana momba ny fanatsarana ny fanabeazana tany New York, ny taona 2022. Hampitovina lenta ny mpianatra malagasy, hiara-hiasa mandritra ny dimy taona ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny orinasa Airtel ary ny […]
Prix RFI Talents du rire : ho fanandratana ny talenta vaovao
Nisokatra omaly ny “Festival Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo. Tanjon’ny hetsika ny hamoahana talenta vaovao eo amin’ny hatsikana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy ny faritra karaiba. Mandritra ny lanonam-pamaranan’ity hetsika ity ny alahady izao ihany koa no hanolorana ny amboara ho an’i Stephan Dipita, izay nandrombaka ny « Prix RFI […]




