Nanomboka omaly, teny amin’ny Sekoly ambony mikasika ny Polyteknika Vontovorona, ny «Herinandron’ ny fifandraisan-davitra», karakarain’ny Vondron’ny mpianatra amin’ny fifandraisan-davitra (GET). Anisan’ ny mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Vondrona Axian sy ny Telma. Maromaro ny hetsika hanamarihana izany. Nisy ny famelabelaran-kevitra, omaly maraina, nampahafantarana ny orinasa Axian sy ny Telma. Nilaza […]
Taratra
Mahajanga: Vatosoa 185,5 kg saika haondrana an-tsokosoko
Manamafy ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MMRS) fa tsy azo ekena sy leferina ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny lafiny rehetra. Tratra ny zoma 7 avrily teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny vatosoa sarobidy (pierres gemmes), milanja 185,600 kilao. Anisan’ny fepetra noraisin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, […]
Tale jeneralin’ny fadintseranana : “Voafehin’ny lalàna ny fahazoan-dalana manondrana vato sarobidy”
Hanomboka ny fanondranana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny Nosy. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, omaly, fa misy ny lalàna ao amin’ny tetibola mikasika ny fahazoan-dalana manao izany. «Voafehin’ny lalàna ao amin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny mikasika ny fahazahoan-dalana (droit de sortie) izay alaina amin’ireo fanondranana vatosoa eto amintsika», hoy ny tale jeneralin’ny […]
Andron’ny fahasalamana : nodidina maimaimpoana ny “hernie” sy ny vaky lanilany
400 000 eo ho eo ireo olona efa nisitraka mivantana ny hetsika « fitsaboana manakaiky vahoaka », nialoha ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo, ny herinandro lasa teo. Nisy varavarana misokatra sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana nandritra ny telo andro, teo anivon’ny CHRR Itasy, Miarinarivo […]
CEe : Malagasy 4 mirahavavy hanaraka fiofanana
Voafidy hanaraka ny fiofanana Community Engagement Exchange (CEE) i Johanna Ravomanana, Ny Andraina Andriamanantena ary Sedra Rakotovao. Voafidy ho mpanoro lalana CEE Specialist Mentor kosa Rafitoson Ketakandriana. Taorian’ny fiofanana ampitain-davitra naharitra telo volana, hihazo an’i Etazonia ireto Malagasy mpitarika ireto. Handray anjara amina hetsika sy tetikasa momba ny fiarahamonim-pirenena eny […]





