Nahatsapa hatsiaka ny mponina amin’ny afovoan-tany andro vitsy nisesy izay. Nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro fa hamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara ny tsokan’ny Varatraza ka haka ny volon’andro ririnina manerana ny Nosy. Rahampitso, efa miraraka ny zavona ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany sy Alaotra Mangoro ny vao maraina. […]
Taratra
Vovonana nomerika amin’ny CEG 15: nahazo fampitaovana i Taolangaro
Anisan’ireo faritra misitraka ny fampitaovana nomerika ny foibem- pitondram- paritry ny fanabeazam-pirenena, faritra Anosy. Notontosaina tao amin’ny CEG de Référence Taolagnaro ny fanolorana ny fitaovana ahitana “box 1” misy 65 Go isam-bolana afaka hampiasana ordinatera 30 sy fanapariahana ny vovonana nomerika vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka Unicef sy orinasa Airtel […]
Bebe Marie Margueritte – Fibodoana tany : natolotry ny minisitera azy ny titra maha tompon’ny tany
Natolotra an’i Bebe Marie Margueritte, omaly, ny “titre” manaporofo fa azy ny taniny. Nanatitra izany teny amin’ny trano fonenany eny Ambohipo Tanàna ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. “Tsy maintsy mitazona ny teny nomeny ny minisitera amin’ny fanampiana an’i Bebe Marie Margueritte”, hoy ny minisitry ny Fanajariana […]
Ankadimbahoaka sy By-pass : mbola tapaka ny lalana
Mbola tapaka ny lalana mampitohy ny rond-point Ankadimbahoaka sy ny rond-point By pass, raha ny fanambarana navoakan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa mbola mitohy ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana no anton’izany. Marihina fa efa eo am-pamaranana ny asa ny orinasa ankehitriny. Hiverina hisokatra amin’ity herinandro ity io ampahan-dalana […]
Fivoriana momba ny lavanila: hisokatra amin’ny mpandraharaha hafa ny minisitera
Nampivory ireo mpandraharaha ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV), omaly. Katsahina ny vahaolana maharitra hiatrehana ny olana.Fividianana izany any amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny amin’ny varotra iraisam-pirenena. Resaka nifanaovana tamin’ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard. Gazety Taratra(*) : Inona marina ny antony fihaonana anio, tsy efa vita tany Sambava ve […]





