Miampy faritra efatra vaovao ireo misitraka ny tetikasa Fafy manomboka amin’ity taona ity : Atsinanana, Androy, Atsimo Atsinanana, Anosy iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Nanomboka ny taona 2018, faritra sivy, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Analamanga, Bongolava, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany Amoron’ i Mania ary Itasy no nanatanterahana ny tetikasa. 600 ireo […]
Taratra
Lafayette College Pennsylvania: nizara fahaiza-manao tamin’ny mpianatra malagasy
Nihaona tetsy amin’ny masoivoho amerikanina Andranomena, tamin’ity herinandro ity, ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Andohalo ankilany sy ny mpampianatra sy mpianatra amerikanina avy amin’ny Lafayette College Pennsylvania andaniny. Nifanakalo traikefa tamina sehatra marolafy izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Lafayette Initiative for Malagasy Education (LIME) ny fihaonan’ny roa tonta. Haharitra […]
Rotsak’orana : mitoetra ny fampitandremana ho an’Analamanga
Mbola arahi-maso ilay andian-drahona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, hoy ny fanazavan’ny teknisinina eny Ampandrianomby, omaly. Mitoetra ihany koa hatramin’ny anio ny fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Analamanga. Hanelingelina ny asa andavanandron’ny rehetra izany satria mety hihena ny fahitana ho an’ny mpampiasa lalana, […]
CUA – Fokontany : miofana ireo mpikarakara ny kopia faobe
Nanomboka omaly ary mifarana anio ny fampiofanana ireo « agent communautaire » sy « chef secteur » miisa 520 eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Ampiofanina izy ireo mba tsy hanano sarotra ny fanentanana sy ny fanisana ary ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona te hisitraka ny kopia faobe […]
Mpanoratra malaza: feno 110 taona ny nahaterahan’i Dox
Ankalazaina anio 13 janoary 2023 ny tsingerintaona faha-110 nahaterahan’i Dox, na Razakandraina Jean Verdy Salomon. Teraka ny 13 janoary 1913 tany Manankavaly izy ary maty ny 14 jona 1978 teto Antananarivo ka milevina any Anjanapara Antsirabe. Mpanoratra malagasy nalaza sy nanana ny naha izy azy i Dox. Nampidirina tao amin’ny […]




