Taratra

Rano sy Angovo : hanamora ny fisitrahan’ny mpanjifa tolotra ny “Jirama shop”

Manakaiky hatrany ireo mpanjifa ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Nosokafana ta­min’ny fomba ofisialy ny Jirama Shop voalohany etsy Anosizato, omaly. Hanamora ny fisitrahan’ ireo mpanjifa ny tolotra omen’ity orinasa malagasy ity io shop io, araka ny namba­ran’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Soloniaina Andriamanampisoa. Ankoatra ny fandrisihana ny tolotra […]

Fandraharahana: 82 tapitrisa euros ho an’ny tanora tantsaha

Tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida), ny Fandaharanasa fanamafisana ny fandraharahana maharitra sy fanohanana ny toekarena ny tanora tantsaha mpandraharaha (Progres). Miaraka mamatsy vola azy ny Fida sy ny Tahirimbola avy amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny OPEP. Mitenti­na 82.780.000 euros ny fama­tsiambola azon’i Madagasika­ra, izay mizara telo. […]

Tsy fanjarian-tsakafon’ny reny: mila ampitomboina ny sakafo notovonantsoa

“Niakatra ho 25% ny tahan’ ny tsy fanjarian-tsakafo ma­hazo ny reny amin’ny firenena misedra krizy ka miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ilay reny sy ny zaza vao teraka izany”, hoy ny fanazavan’ny Unicef, taorian’ny fa­nadihadiana nataony. Ilaina, noho izany, ny fametrahana fandaharanasa hanohanana ny tovovavy sy ny vehivavy ara-tsakafo satria manomboka […]