Taratra

Tselatra

Nobatain’ny andian-jatovo maromaro ny dabam-pako vy napetraky ny kaominin’Antananarivo entina hanatsarana ny tanàna, afakomaly atoandro. Tsy nisy tahotra, nongotan’ireo lehilahy ireo ity fananana iombonanana ity ary nentin’izy ireo.  Fiara mpitatitra olona roa nifandona mafy tao Mandalahy – Fianarantsoa, afakomaly. Potika tanteraka ny fiara roa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.

Lalao baolina kitra: nidaroka olona ny mpitandro filaminana

Tranga hafakely ity niseho tao amin’ny kaominina Miarinarivo, distrikan’Andilamena ity. Ny alahady 18 desambra teo. Niady ny lalao famarana ny zanaky ny betsileo sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Resy teo anatrehan’ny zanaky ny Betsileo ny mpifanandrina aminy ka tsy nahazaka. Minitra vitsy tsy hataperan’ny lalao, nodakan’ny mpitandro filaminana ny […]

Notambazana  “biscuits”: sady  voaolana no bevohoka ilay ankizivavikely

Niakatra fampanoavana ny alakamisy ka notazonina vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Tolagnaro ilay lehilahy 46 taona, voatondro ho nanolana sy nahabevoka ankizivavikely 12 taona. Voasambotra ny talata teo, rehefa nanao ny asa ratsiny  nandritra ny herintaona. Ny 15 desambra teo,raha iverenana ny zava-nitranga, efa alina vao niditra ny trano ilay ankizivavikely […]

Mpangataka eny  amoron-dalana: tsy very anjara amin’ny Noely

Olana ara-piarahamonina avokoa no itovian’izy ireo. Misy ny nilaozan’ny vadiny, ny maty vady. Misy kosa ny manao ny fangatahana ho fanampiany ny vadiny miasa. Manodidina ny 5000Ar ny azon’izy ireo isan’andro, ho an’ny mpangataka ao amin’ny tonelina Ambohidahy. Renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany ny ankamaroan’ny mpangataka eo . “Eto mba mety […]

Noelin’ny kamboty: miandry fahagagana  i  Perline telo mianaka

Bevohoka telo volana i Ravaonasolo Marie Perlienne, no maty vady. Tsy misy mpiahy izy telo mianaka ka lasa mpatory an-dalana na 4’Mis. Fahaganana andrasany amin’ny Noely, hahita vola ahafahana mody an-tanindrazana sy ho eo anivon’ny fianakaviany.   Mahonena ny mahita ny mpangataka, indrindra ny reniny mitrotro ny zanany, eny an-dalambe […]