Taratra

Randrianasoloniaiko Siteny: hidina ifotony vao hanapa-kevitra

“Hidina any ifotony haka hevitra aloha izahay. Hambarako aorian’izany ny fanapahan-kevitra amin’ny haha kandidà ho filoham-pirenena ny tenako“, hoy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly, tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Nambarany fa ilaina aloha ny mahalala ny olana eny ifotony. Tsy mitovy ny iatrehan’ny vahoaka izany sady fanajana azy ireo ny […]

KMF/Cnoe: “Mampandroso antsika ny mifampihaino”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Mazava ny nambaran’izy ireo. “Anisan’ny fototra heverina fa mampandroso ny firenena ny fifampihainoana“, hoy ny fanambarana. Nambaran’izy ireo fa nihaino ny hetahetan’ny  KMF/Cnoe  ny Ceni sy ny fitondram- panjakana . Namoaka ny didim-panjakana mamaritra ny fanalavam-potoana ny fanovana ifotony ny lisitry ny mpifidy. Milaza […]

Petite vitesse: novahan’ny filoha ny olan’ireo mpivarotra

Nifampiresaka ny filoha Rajoelina Andry sy ny Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse. Nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Tsy vitan’izany fa mbola niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra sy namaha ny olana. […]

Lozam-pifamoivoizana: Jeneraly maty voahitsaky ny kamiao teo Namontana

Maty tsy tra-drano, voahosin’ny kamiao ny manamboninahitra jeneraly iray, omaly, teny Namontana. Voalaza  fa nisongona avy aty amin’ny ankavanan-dalana izy. Nampivarahontsana ireo manodidiana ny fahafatesana jeneraly iray, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, tetsy Namontana, omaly maraina. Tamin’ny 10 ora latsaka, tratran’ny lozam-pifamoivoizana izy raha nitondra moto avy any amin’ny “rond-point” Soanierana, nikasa […]

Petite vitesse: omen’ny filoha alalana hiasa ireo mpivarotra mandritra ny fety

Manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse, nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra. Nambaran’ny filoha tamin’izany fa omena alalana malalaka hivarotra ireo mpivarotra, ho fitsinjovana azy ireo hiatrika ny fety. “Fanapahan-kevitra nifampidinihana […]