Taratra

La Réunion-Madagasikara : miara-miasa ho an’ny fampandrosoana

Mitohy ny fitsidihana ofisialy nataon’ny delegasion’ny Antenimerandoholona, tarihin’ny filohany (PS), Razafi­mahefa Herimanana atsy amin’ny nosy La Réunion. Nisy ny fivoriana manan-danja nataon’izy ireo, niaraka tamin’ny filohan’ny faritra Réu­nion, Rtoa Huguette Bello, ny 22 febroary teo. Vontoatiny ny hisian’ny fiaraha-miasa ma­fonja, tsara rafitra ary maharitra eo amin’ny faritra La Réunion sy […]

Jirama: hazavaina ny elakela-trano

Nosantarina teny amin’ny fokontany Andohan’i Man­droseza, ny alakamisy 23 febroary alina teo, ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano » tanterahin’ny Jirama. Miisa 20 ny jiro « cobra » napetraka tamin’ny elakela-trano, tsy nisy jiro nanazava hatramin’izay. Nanatrika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa So­lo­niaina, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nilaza ny filohan’ny […]

Ben’ny Tanàna Ankilimalinike: «Mila ataon’ny Base Toliara laharam-pahamehana ny tanora eo an-toerana»

Faritra voakasiky ny tetikasa Base Toliara ny kaominina Ankilimalinike sy ny fokontany Ranobe, samy ao anatin’ny distrika Toliara II. Manamafy ny fitakiana hanokafana indray ny orinasa ny mponina, satria mihalalina ny fahantrana vokatry ny tsy fisian’ny asa sy ny fampandrosoana any an-toerana. Miray hina ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, […]

Ambatomanga : renim-pianakaviana naratra nodarohan-janany

Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray nahavita nikasi-tanana an-dreniny tao Ambatomanga, ny alatsinainy teo. Nifamaly tamin’io reniny niteraka azy io ny zanany mirahalahy. “Tsy salama saina firy anefa ny zokiny. Nipetraka tsy nanao na inona na inona araka izany izy”, hoy ny fianakaviany. Vokatry ny fifamaliana noho ny fahasimban’ny bisikileta […]