Iray amin’ireo mpikambana fototra tao amin’ny tarika Njila no tena nahafantarana azy… Nanana ny lalany manokana teo amin’ny mozika kosa i Mam’Rakoto, na dia tsy nipetraka teto an-tanindrazana aza. Fantatra fa mandalo eto kosa izy, ary efa niaka-tsehatra nandritra ny lanonana tao amin’ny groupe éducatif Aceem, ny 10 febroary teo. […]
Taratra
Haikanto Malagasy: hisy ny fampirantina ho an’i Razakaratrimo Zo
Hetsika goavana no atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpanaraka azy, sy ny mpankafy haikanto Malagasy, indrindra ny tontolon’ny fanenomana. Hisy ny fampirantina lehibe karakarain’ity ivontoerana ity ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ny mpahay kanto mpanenona, Razakaratrimo Zoarinivo na Madame Zo. Eny amin’ny Ivontoerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambatomena no hanatanterahina […]
Lahabolana sy ny fivoarany: mbola miteraka resaka maro ny kabary atao amin’ny fiteny vahiny
Mihazakazaka be ny fiovan’endriky ny lahabolana am-bava amin’izao vanim-potoana izao. Iray amin’ireny ny kabary izay efa manomboka mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manana ny mampiavaka azy anefa io kolontsaina malagasy io, hany ka miteraka resaka maro ity lazaina ho fivoarana ity… Iray amin’ireo kolontsaina malagasy faheno manerana an’i Madagasikara ny […]
Kitra – OPL : niakatra faharoa ny Ajesaia
Lasa laharana faharoa ao amin’ny kaonferansy avaratra ny Ajesaia Bongolava. Resiny tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Asa Diana. Lalao notanterahina ny alarobia lasa teo, teny Ambohidratrimo. Fifandonana tafiditra amin’ny andro faha-10 amin’ny fifaninanana “Orange Pro League”. Tsiahivina fa nanokatra ny isa voalohany ny Asa, baolina tafiditr’i Oelinot teo […]
Kick boxing – Lalaon’ny Nosy 2023 : efa tapaka ny fitsipika hifehy ny fifaninanana
Tontosa tamin’ny 13 febroary lasa teo ny fivoriana nandinihana ireo fitsipika hifehy ny taranja kick boxing, mandritra ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Tamin’ny alalan’ny “visioconférence” no nizoran’ny fivoriana, ka nandray anjara tamin’izany avokoa ny solontenan’i Maorisy, La Réunion, Seychelles, Mayotte ary i Madagasikara. Tsiahivina, ny discipline Low Kick no […]





