Nanararaotra ny fandalovan’ny rivodoza, jiolahy iray maty voatifitra ary efa-dahy voasambotry ny polisy teo am-pamakiana «quincaillerie», tao Ampasambazaha- Fianarantsoa, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina ireto jiolahy mitam-piadiana, nikiry handositra avy hatrany ireto farany. Nasain’ny polisy nijanona saingy nanohy ny fitsoahana […]
Taratra
Mpangalatra taribin-jiro : jiolahy 6 naiditra am-ponja
Olona enina tamin’ireo sivy tratra no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, omaly, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taribin-jiro sy fitaovan’ny orinasa BETC Jiro kanto mpiara-miombon’ antoka amin’ny Jirama ireto tratran’ny zandary tao Tsarahonenana Ambatondrazaka ireto. Halatra niteraka fahatapahan-jiro matetika tany an-toerana. Misy […]
Fivarotana zava-mahadomelina: nizerianina iray nahatrarana “héroïne” 400g
Teratany vahiny faha-19 voasambotry ny zandarimariam-pirenena tao anatin’ny valo volana ity nizerianina tratra niaraka tamina “héroïne” 400g ity. Niakatra fampanoavana omaly ilay teratany nizerianina voasambotra teny Ambohimirary ny alahady teo. Tratra teny amin’ity teratany vahiny ity ireo “héroïne” milanja 400 grama. Saika hivarotra izany izy ary hanaparitaka ity zava-mahadomelina mahery […]
Fiofanana any Chine : niatrika fitsapana ny atleta malagasy
Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fiofanana hatrehan’ny atleta malagasy any Chine. Antony, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Niatrika fitsapana izy ireo, nanomboka ny alatsinainy teo, nialoha ny hidirana amin’ ny kotrana. Natao izany fitsapana izany hahafantaran’ ireo mpampiofana ny haavo teknikan’ny atleta tsirairay. Efa hitan’ny mpampiofana sahady […]
Savate – Mada 2023: hatao any Toliara ny fifaninanana
Fantatra ny fandaharam-potoan’ny taranja Savate Boxe Française amin’ity taona 2023 ity. Any Toliara ny hanaovana ny fifaninanam-pirenena. Hotontosaina ny 24-25-26 marsa izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2023, ho an’ity taranja ity. Tapaka izany nandritra ny fivoriambe natao tany Antsirabe ny volana janoary teo. Tafiditra anatin’ny fanapariahana sy fampandrosoana […]





