Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra amin’ny alahady ho avy izao izay ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, vehivavy, sokajy D2. Hifandona amin’izany ny ekipan’ny UAS Cheminots (Besetroka) sy ny FTVL (Lalamaty). Hotan­terahina miaraka amin’izany koa ny lalao sakana eo amin’ ny lehilahy. Hifanandrina ny 3FAI sy ny Cheminots. Fantatra fa hisy Malagasy vitsivitsy handrafitra […]

Futsal, vehivavy – CAN 2025: Miray vondrona ny Barea sy i Sénégal

Notontosaina omaly, tany Egypte, ny antsapaka amin’ny andiany voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, lalaovina anaty efitrano na “futsal” sokajy Sénior, vehivavy. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Fantatra ary fa ao amin’ny vondrona “C” ny Barea, miaraka amin’ny Lionan’i Teranga an’i Sénégal sy i Tanzanie. Miisa […]

Fankatoavana ny Kianja Barea: Ambony ny fanantenana !

Afaka andro vitsy, hivoaka ny valin’ny fitsirihana nataon’ny teknisianin’ny Caf sy Fifa ny Kianja Barea Mahamasina. Ambony ny fanantenana ho an’ny tomponandraikitra malagasy. Miandrandra lalao eo Mahamasina rahateo ny mpankafy baolina kitra. Nifarana omaly ny fitsirihana ny Kianja Barea Mahamasina, nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zaka­rihya, […]

Ny volo na Bararata : Tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ny Betsimisaraka

Zavamaniry iray tsy afa-misaraka amin’ ny olombelona maro ny volo na bararata. Ani­san’ny mampiasa azy io betsaka ny Betsi­misaraka. Fi­tao­vana ilaina amin’ny fiainana andavanandro mihitsy izy io. Anisan’ny zavamaniry tsy afa-misaraka amin’ny filana andavanandron’ ny Betsimisaraka ny volo na bararata. Misy karazany dimy izy ireny hatreto, raha ny fanadihadiana nataonay […]

filoha Rajoelina Andry : « Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina »

Hatao toeram-pitsidihana fitaratra amin’ny fizahantany aty Afrika ny ranomasimbe Indianina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nivoitra izany nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry tany amin’ny fivoriambe WGS tany Dubai, ny 12 febroary teo. Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany sy ny naman’i Madagasikara, hanokatra ny varavarany sy ny fony ny filoha […]